Ny fitoniana, ny fandriampahalemana ary ny fifidianana ben`ny tanàna no hifantohan`ny asan`ny komitin`ny fampihavanana Malagasy (CFM) mandritra ny fivoriana fahatelo izay nanomboka ny 02 septambra lasa teo.
Hodinihana mandritra ny iray volana sy handraisana fanapahan-kevitra ao anatin`izay fe-potoana izay ny momba ireo fangatahana miisa 1 300 ho fanonerana sy famotsoran-keloka ary fangatahana fanalana sakana amin`ny fanondrotana grady izay nataon`ireo olona niharan’ny krizy politika teto Madagasikara teo anelanelan`ny taona 2002 hatramin`ny 2013. Hisy olona maromaro hahazo famotsoran-keloka sy hahazo fanafoanana ny sakana amin`ny fanondrotana ny grady. Tsy mbola misy kosa ny tetibola avy amin`ny fanjakana hahafahana manao ny fanonerana ary miankina amin`ny fitantanam-bola ataon`ny fanjakana rahateo ny vola omena an`ny CFM. Manantena koa izy ireo fa hisy vokany ny toromarika nomeny ho an`ny governemanta amin`ny hanatsarana ny fitantanana ny firenena. Asa goavana no miandry ity rafi-panjakana ity amin`ny fivoriana fahatelo. Tao anatin’ny roa volana dia betsaka ihany koa ny asa vitan`ny CFM araka ny voatondron`ny lalàna mifehy azy ireo. Notanterahina tamin`ny 26 jolay teto amin` ny lapan` ny fampihavanana ny lanonana ofisialy nanolorana ny asan`ny komitin`ny fampihavanam-pirenena nandritra ny taona 2018.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.