Ho avy eto amintsika indray ny iraka manokan’ny SADC (Southern African Development Community) ny 3 aprily ho avy izao, raha araka ny tsiliantsofina re.
Tahaka ny mahazatra dia inoana fa tsy maintsy hijery ny lafiny ara-politika izy ireo ary hihaona amin’ireo ankolafy maro, indrindra manoloana izao fanomanana ny fifidianana ho avy izao. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 2005 no niditra ho mpikambana feno tao amin’ny SADC i Madagasikara ary nandray anjara goavana tamin’ny asa fanelanelaana namahana ny krizy 2009 ity vondrona ity. Tsy mahafoy an’i Madagasikara ny SADC satria mahafantatra tsara ny tokony ho tanjaka ara-toekarena misy eto. Toy ny vondrom-paritra rehetra dia manana ny fomba fiasany ny SADC ahatrarany ilay tanjona fiaraha-miasa sy ny fampiombonana (coopération et intégration régionale) ho an’ny mpikambana. Misy, ohatra, ny sokajy amin’ny fifanakalozana ara-barotra, ny mandinika ny tsenan’ny vola (marché financier), ny miandraikitra ny fandriampahalemana, ny politika ary farany ny fiaraha-miasa ara-bola. Hatreto aloha dia tsy tafavoaka i Madagasikara na amin’ny fanaovana politika, indrindra ny lafiny toekarena. Tsy mahay mifandamin-toerana ny mpanao politika fa miady an-trano ary izany no fositra mampahantra ny firenena. Eo anoloan’izay indrindra dia tsy miamboho adidy hatrany aloha ny SADC miezaka mitady vahaolana hamahana ny krizy eto kanefa sady mijery ny tombontsoany ihany koa.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.