Politique

Fanomanana ny 2023 Manao "Mada Raid" ny AREMA


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Nanao fitetezam-paritra any amin’ny faritanin’i Toamasina iny ny Antoko Arema izay tarihin’ny Sekretera nasionaliny, Annick Zoary Ratsiraka, nanomboka ny 27 septembra teo.

Tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Moramanga, Amparafaravola, Maroantsetra, Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina no nanombohan’izy ireo izany ary ny 9 oktobra no tonga tao Toamasina Renivohitra. Nihaona tamin’ireo mpikatroka Arema any ifotony ireto delegasiona nandritra ireo fitsidihana natao ary nanao fanentanana amin’ny fananganana indray ny rafitry ny antoko sy hifidy ireo birao hitantana izany. Nampahatsiahy ny foto-kevitra ijoronan’ny Arema hatramin’izay koa i Annick Ratsiraka dia ny hanavotra ny Vahaoaka sy ny firenena. Nanentana ireo tanora hiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana koa izy. Nanamafy ny Sekretera nasionalin’ny Arema fa handray anjara amin’ireo fifidianana ho avy ny antoko izay 46 taona amin’ity taona ity. Nisy koa ny fitsidihana ireo Akany izany natsangan-dRamatoa Céline Ratsiraka, vadin’ny filoha teo aloha. Isan’ireo tena goavana tamin’izany ny tao Ambatondrazaka izay mankalaza ny faha 35 taonany amin’ity taona ity. Mbola tena velona ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanabeazana any an-toerana io Akan-jaza io. Nitety ireo distrika amin’ny tapany atsimon’ny faritra Atsinanana ny delegasiona taorian'izay ary nofaranana tany Vatomandry.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT