Politique

Fanolorana ofisialy ny PEM Niova ho fihaonambe momba ny fampiasam-bola…


  • Zoma 28 Oktobra 2022

araka ny fanamafisan’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nambara fa fihaonana lehibe hampivondronana ireo mpisehatra avy amin’ny fanjakana,

ny sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha isan-karazany, mba hijerena miaraka ireo lalam-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana an'i Madagasikara io. Mandritra io fotoana io ihany koa no hanaovan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny jery todika ireo asa vita sy an-dalam-panatanterahana sy ny dingana manaraka ho tanterahina ao anatin’ny "Plan Emergence de Madagascar" na PEM, hoy ny fampitam-baovao. Toa niova indray izany ny serasera satria nambara tany aloha fa fampahafantarana ofisialy ny PEM kinanjo lazaina fa jery todika indray. Efa taoriana kelin’ny 19 janoary 2021 no nambara fa hampahafantarina ofisialy io PEM io, saingy tsy nety tanteraka, ary nolazaina fa dia hampahafantarina indray, kanefa toa niova ny serasera. Nambara fa hisy ireo atrikasa samihafa hotanterahina mandritra izao fihaonana lehibe izao, izay hiresahana ireo sehatra stratejika mety hampiasam-bola eto Madagasikara eo amin'ny lafiny fizahantany sy fitaterana, ny fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ireo fotodrafitrasam-pifandraisana, ny fambolena sy ny fampiofanana arak'asa. Inona no nahatonga ny Fanjakana hanova ny endriky ny serasera? Hoenti-mamafa ilay hoe: ho tapitra ny fe-potoana hiasana izay vao hanolotra drafitra hoenti-mitantana firenena? Tena mbola hisy zavatra goavana antenaina ve anefa amin’izao fitondrana izao sa dia ho seho ivelany sy fampitenenana sary tahaka ny tamin’ny IEM hoe: ireo ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka fa efa vonona?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT