Politique

Fanolorana kandida Praiminisitra Nampizarazara ny Ankolafy Zafy Albert


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Tonga teny amin'ny tranon'ny profesora Zafy Albert omaly ny masoivoho Afrikanina Tatsimo.

 Niezaka nandresy lahatra ny profesora izy ny amin'ny tokony hanoloran'ity firehana ity ny anaran'izay hotendrena praiminisitra. Araka ny loharanom-baovao anefa dia tsy nanaiky mihitsy ny profesora fa nijoro nanohana hatrany ny heviny ny amin'ny tokony ho avy amin'ny Ankolafy telo ary ifanarahana mandritra ny fivorian’ireo filoha efatra mirahalahy, Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, fivoriana izay tokony hotanterahina eto Madagasikara mialoha ny 01 novambra ny praiminisitra.

Araka ny fantatra dia tsy nandà izay fanohanan-kevitry ny profesora izay ny ambasadaoro afrikanina tatsimo, Mogheti Monaisa, mpitantana vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC, omaly. Rehefa izay ny Pr Zafy Albert dia nanamafy, omaly, fa tsy mbola hanolotra anarana kandida praminisitra ny ankolafy tarihiny. Ny zavatra tsikaritra anefa dia nisy olona avy amin’ny Ankolafy Zafy, nahitana an-dry Manoro Régis sy Fanja Lalaina tonga teny amin’ny Le Paon d’Or, niaraka tamin’ny valopy misy anarana kandida praiminisitra, ary nandrotsaka izany tao anaty vata mangarahara.

Mohamed


Sary : Fanja Lalaina mandrotsaka ny valopy misy ny kandida praiminisitr’izy ireo (sary Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT