Politique

Fanolorana anarana praiminisitra Nifamahofaho ny hevitra teny Tsimbazaza


  • Alarobia 19 Oktobra 2011


 Maro ireo vondrona politika tsy tafiditra ao anatin’ireo 10 afaka manolotra anarana hisafidianana izay ho praiminisitra vaovao no nampiaka-peo teny amin’ny Lapam-panjakana teny Tsimbazaza omaly tao anatin’ny fivoriana nataon-dry zareo, taorian’ny fotoam-panokafana ny fivoriana ara-potoana. Nisy fanapahan-kevitra noraisin-dry zareo tamin’izany, indrindra ho an’ireo nanao sonia ilay tondrozotra nefa nolazaina fa ho tohana fotsiny ihany ka nilaza fa mbola hanolotra soso-kevitra ny amin’ny ahafahan’izy ireo manolotra izay mba heveriny fa mendrika ho praiminisitra izany. Ho an’ny UDR-C manokana dia nambaran’ny Sekretera jeneraly lefiny fa diso ny filazana hoe tsy hanolotra olona izy ireo. Nambaran’Atoa Andriantsizehena Benja Urbain fa ny olona avy amin-dry zareo no tsy tokony hatolony fa raha olona avy amin’ny fironana hafa heverina fa afaka mitana izany toerana izany ka hampanjaka ny firaisankina sy fampiraisam-pirenena ankehitriny dia afaka manolotra ry zareo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT