Nitondra fanazavana momba ny nanoloana an’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Atoa Mamy Rakotoarivelo tsy ho mpitarika ny ankolafy Ravalomanana intsony ka nanendrena indray ny Minisitry ny fambolena Atoa Roland Ravatomanga hisahana izany andraikitra izany ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny hetsika tao amin’ny Magro Antsirabe ny sabotsy teo.
Nambarany fa tsy tokony ho lehiben’ny andriam-panjakana ny lehiben’ny delegasion’ny movansy Ravalomanana. Anisan’ny kiana nataon’ny filoha mozambikanina teo aloha, Atoa Joachim Chissano koa ny filazana fa nanatrika fampielezan-kevitry ny kandidà Dr Robinson Jean Louis ny filohan’ny kongresy ka izay no antony. Nanambara ny tenako, hoy ny filoha Ravalomanana fa raha izay no olana dia aleo soloina aloha ny mpitarika fa tsy maninona izany. Ankoatra izay dia nitondrany fanazavana tamin’ireo mpitolona fa tsy misy ny olana eo amin’izy sy Mamy Rakotoarivelo ary mifampiresaka isan’andro izy ireo ka aoka tsy hampiadian’ny olona indray ny mpitolona fa mbola ao amintsika ary namantsika hatrany i Mamy Rakotoarivelo. Ankoatra izay dia nomeny toromarika ireo mpitarika rehetra mba ho sahy hiseho sy hiady hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobodranon-dRamiangaly. Ny mpitarika, hoy izy, dia mila sahy miatrika ady ary mila mampiseho fahasahiana ihany koa ary maneho ny zava-misy amin’ny vahoaka mba tsy haha tompontrano mihono azy ireo, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra lalovantsika izao. Nohamafisiny moa fa mitohy ny tolona mandra-pahatongany eto Madagasikara.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.