Fanokafantsika masoivoho any Abou Dhabi

Hanamafy ny diplaomasia sy bizina amin’ny arabo…


  • Zoma 21 Martsa 2025

Hampivelatra ny toekarena sa sanatria Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra

omaly 20 martsa 2025 ny firosoan’ny Fanjakana Malagasy hanotraka ny masoivohon’i Madagasikara any Abou Dhabi, Emirats Arabo Mitambara. Navoitra fa efa voafaritra ny toerana hametrahana izany, ary taorian’ny fitsidihana nataon’ireo tompon’andraikitra Emiratis teto dia irosoana ny fampitaovana ho an’ny fiarovana sy fampanarahana fenitra ny toerana. Tafiditra tao anatin’io fankatoavana io mazava ho azy ny resaka tetibola fampanandehanan-draharaha any amin’izany masoivohontsika any Abou Dhabi izany. Maneho sy manamafy ny endrika diplaomasia sy fiaraha-miombon’antoka mandodom-bavaravarana hatrany amin’ny arabo io na maneho aza ny Fitondrana Malagasy fa miorina amin’ny diplaomasia ara-toekerana misokatra amin’ny rehetra. Tsapa tato ho ato, indrindra tao anatin’ny 3 na 4 taona ny fiezahan’ny Fanjakana Rajoelina ny fitodihana amin’ireo fifanarahana samihafa, fitadiavam-bola, fanomezana tombodahiny ny arabo. Isan’ny ianteherana mafy ny fampanantenana ambony latabatra amina fampiasam-bola 10 miliara dolara lazain’ny arabo amina sehatra maro toy ny ranomasina, angovo, fambolena,… Ny arabo indray amin’izao no antenaina hamatsy vola ireo tetikasa toy ny lalam-be migodana, làlana masoandro,… Isan’ny tena iondranan’ny harena avy eto toy ny trafikana volamena moa ny tany arabo, ary ry zareo no nolazaina tany aloha fa hamatsy ny fananganana ny orinasa mpanadio volamena ka asa na misy ifandraisany amin’ireny ? Adihevitra ihany koa ny fanomezana tombondahiny ara-tany ho an’ny arabo toy ny resaka Bas Mangoky, ny ahiahy mikasika ny fanomezana ny ampahan’ny Nosy Mitsio,… Zava-dehibe ny fanokafana masoivoho any an-toerana amin’ny fiaraha-miasa ara-toekerana, fa tsy manala ny ahiahy samihafa ihany koa anefa.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT