Fanoherana voka-pifidianana

> Nosakanana ny hetsiky ny vondron’ireo kandida depiote tao Tolagnaro


  • Alarobia 08 Janoary 2014

Nolavin’ny lehiben’ny Distrikan’i Tolagnaro tamin’ny fotoana farany ny fangatahana hanao fanehoan-kevitra sy ny famelabelaran-kevitra saika hataon’ireo kandida depiote miisa19 amin’ireo 24, teo amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny tanŕnan’i Tolagnaro omaly talata 7 janoary.

Araka ny voalaza tamin’ny taratasy fandavana ny fangatahana dia noho ny fitandroana ny filaminana aorian’ny fifidianana dia tsy azo atao ny mamory vahoaka satria mety hitarika any amin’ny tsy filaminana. Ny antony faharoa dia nambara fa sady tsy mahafeno fepetra ny fangatahana no milaza fanambarana sy fanehoan-kevitra amin’ny tsy fankatoavana ny voka-pifidianana ho solombavambahoaka izay tokony hiandrasana ny valim-pifidianana ôfisialy izay andraikitry ny CES. Ary fahatelo dia ny filazana fa tsy marim-pototra ny fangatahana, satria tsy ny olona rehetra voasotra ao amin’ny “fiche de présence” no manaiky ny fanaovana fihetsiketsehana sy famoriam-bahoaka. Voalazan’ireo kandida anefa fa nifanaraka ny roa tonta fa tsy hisy ny filaharambe fa nekena kosa ny fihaonana amin’ny vahoaka. Nolavina indray anefa izany ka mahatsiaro voafitaka ireo kandida depiote 19 mianadahy nanoloana izany. Tsy niandry ela moa izy ireo fa nivahiny tamin’ireo onjam-peo misy ao an-toerana, nanazava ny tena antony saika hamorian’izy ireo vahoaka. Voahosihosy tanteraka ny demokrasia, hoy ireo naneho ny heviny manoloana ity famoriam-bahoaka tsy tanteraka ity. Mbola mihevitra ny hamory vahoaka anefa ireo mpanomana atsy ho atsy na tsy mbola voafaritra mazava aza ny fotoana. Vao maraina dia efa niatrana amim-basy ny Emmo-Reg sady mivezivezy eran’ny tanàna.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT