Politique

Fanoherana Sarintsarina mpanohitra no tian`ny fitondrana hapetraka


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Mandringa ny famolavolana ny lalàna mifehy ny mpanohitra izay tadiavin`ny fitondrana holaniana amboletra eny amin`ireo parlemantera roa tonta.

 

Tsy manaja ny sata repoblikanina sy soatoavina demokratika ny fomba hamolavolana ireo manam-pikasana hanitsy ireo andininy amin`ny lalàna mifehy ny mpanohitra izay miroso amin`ny fanjakana tsy refesi-mandidy. Mariky ny fanajana ny tany tan-dalàna io sata mifehy ny fanoherana io nefa tadiavin`ny fitondrana hametrahana sarintsarina mpanohitra hanaraka ny fahazaran-dratsiny. Mety ny nataon`ny mpanohitra nifidy an`i Marc Ravalomanana noho izy nifaninana tamin-dRajoelina nandritra ny fihodinana faharoa tamin`ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ny mpitsara iray. Ny filoha Rajoelina rahateo efa niteny fa raha “izaho no lany eo dia ianao no ataoko mpanohitra”. Nandeha ny fifidianana nataon`ireo mpanohitra ka lany i Marc Ravalomanana. Noho izany, nanaraka tsara ny lalàmpanorenana izy ireo. Gaga ity mpahay lalàna ity fa nisy tolo-dalàna tampoka. Ny solombavambahoaka indray no mitarika ny fanoherana. Raha ny tokony ho izy anefa dia ny loholona. Midika izany fa mandringa io tolo-dalàna 2019-001/PL io. Raha tena hanaraka demokrasia, tsy ny didy jadon`ny fanjakana no atao fa ny fanajana lalàna. Marihana fa io filoham-pirenena no nanao sy nandany io lalàmpanorenana io. Tsy mahatoky tena ny fitondrana kanefa mila arahina ny fitsipika ara-demokratika. Efa latsaka an-katerena ny firenena fa adilahy politika foana no atao eto. Io ny lalàmpanorenana ka mila arahina.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT