Mitohy ny tolona hiadiana amin’ny halabato sy ny hosoka izay ataon’ireo “collectifs des candidats”. Taorian’ny fihaonambe teny amin’ny “Live Hôtel”,
nialoha ny namoahan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, dia manomana fihaonambe ny kandidà rehetra manerana ny nosy, afaka andro vitsy ka iantsoana ireo kandidà rehetra izay mahatsapa fa nisy ny halabato sy ny hosoka tany amin’ny faritra misy azy tsirairay. Nambaran’Atoa Rakotomalala Henri na Riribe, kandida tao Toamasina voalohany fa raha ny “requete” 684 sy ny porofo napetraka teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tokony ho maro ny distrika namerenana ny fifidianana ary nisy tamin’ireo kandidan’ny Ird no “disqualification”, hoy izy. Ny mampalahelo anefa, tsy neken’ny Hcc ny fitarainana noho ny baiko midina avy amin’ny Ird sy ny teritery.
Mahatsiaro ireto kandidà nivondrona ho iray ireto fa manana andraikitra izy ireo raha toa ka hangina manoloana ny halatra be vava. Manana zo hifidy ny olona, nefa nesorina tao anaty lisi-pifidianana ny anarany. Tompon’andraikitra feno tamin’izao halatra izao ny Ceni sy ny Hcc, hoy hatrany i Riribe, satria, ity vaomiera misahana ny fifidianana ity dia niray tsikombakomba tamin’ny halabato ary nanao izay hampandaniana ny kandidam-panjakana. Teo koa ny tsy fanarahan-dalàna momba ny lisitra ary ny fampiasana ny fitaovam-panjakana. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tsy afaka namoaka ny marina noho ny fanerena avy any ambony. Ny tsy hiverenan’ny halabato sy ny fandikan-dalàna maro samy hafa toy izao no mbola mampijoro ireto “Collectifs des candidats” ireto. Tsy azo ekena intsony ny hiverenany sy hisehoan’izany eto amin’ny firenena toy ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote farany teo. Raha izay no mbola miverina ary miziriziry amin’ny heviny ny fanjakana, dia hihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Tsiahivina fa nisy ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey nataon’ireo depiote 79 nitaky fanovana, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ny solombavambahoaka niady izany no lasa tompon’ny halatra sy ny hosoka. Hisy ihany koa ny fanambarana ataon’izy ireo amin’io herinandro ho avy io, hoy hatrany ity kandidàn’i Toamasina voalohany ity.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.