Politique

Fanoherana ny hosoka sy hala-bato Raikitra ny fanambaran-kery lehibe


  • Talata 16 Jolay 2019

Fehin-kevitra lehibe miisa 7 miendrika fitakiana no mamintina ny famelabelarana narahina adihevitra lehibe tetsy amin’ny Hotely Carlton omaly alatsinainy 15 jolay 2019, izay nampisalorana ny anarana hoe :

 

 

 

 « Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato amin’ny fifidianana ». Voalohany  ny fanovana na fanavaozana ny mpikamban’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI, izay ambaran’izy ireo fa tsy hananan’ny mpifidy fitokisana intsony, ny fahaleovantenan’ny CENI sy ny fiantohana ny tsy fiandaniany, fanavaozana sy fanadiovana ny lisi-pifidianana. Manoloana ny didy tsy azo ivalozan’ny HCC, angatahana ihany koa ny tsy fitanilana sy ny fangaraharan’ny fikirakirana sy ny fitsarana mahakasika ireo raharaha mifandraika amin’ny lalàmpanorenana, indrindra fa ny raharaham-pifidianana, izay tena mahasarotiny ny vahoaka mpifidy. Mangataka amin’ny HCC ny mba hamoaka ny fanazavana mazava sy mahafa-po teo anoloan’ny fihetsiny nanoloana ireo fitoriana manodidina ny 700 napetrak’ireo kandida. Tsy azo ekena ny hisian’ny fifidianana eto raha mbola ny CENI sy ny HCC teo sy izao rafi-pifidianana izao no iandraikitra ny fifidianana eto Madagasikara, raha tsy misy fanaovaozana io lisi-pifidianana io, raha tsy miova sy hamboarina ny mpikamban’ny CENI, hoy Rakotomalala Henri. Ankoatra ny fanatrehan’ny solontenan’ny firenena vahiny, dia saika hita sy voasolo tena avokoa ireo rehetra nahatsiaro tena ho lasibatra tamin’ny fifidianana, toy ny antoko TIM, ny UNRRM tarihin-dRajerison Nicole Véronique, ireo kandida tsy miankina,… Teo ihany koa ireo antoko sy vovonana ara-politika maro samihafa. Tsy hidina an-dalambe na hanongam-panjakana fa manaja ny antanatohatry ny lalàna sy fanjakana. Rehefa tsy mandray fanapahan-kevitra anefa ny tompon’andraikitra dia ho avy ihany koa ny fanapahan-kevitra amin’ny dingan’ny demokrasia, raha ny fanambarana. Rehefa manampin-tsofina ny tompon’andraikitra, dia ho avy amin’izay izy ireo amin’ny hetsika manerana an’i Madagasikara.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT