Politique

Fanoherana ny fizirizirian’ny Fanjakana Antoko maro handroso fanovana ny lalàm-pifidianana


  • Zoma 24 Martsa 2023

Nanao fanambarana ireo antoko politika nidinika niaraka tamin’ny Vondron’ny Firaisamonim-pirenena (OSC) tetsy Antaninareenina omaly,

fa mahatsiaro ho manan’andraikitra eo anatrehan’ny firenena ary tapa-kevitra hivondrona ho fiarovana ny soatoavina Repoblikana ho fisorohana ny mety hisian’ny krizy vaovao indray ka hamela takaitra goavana ho an’ny fiainam-pirenena. Noho izany, manameloka ny fihetsiky ny fitondrana izay manakatom-baravarana amin’ny fifampiresahana ka tsy mampiseho fahavononana ny amin’ny hisian’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara sy mangarahara izy ireo, ary naneho fa manindrahindra ny demokrasia sy ny fihavanana. Taorian’ny fifampiresahana malalaka sy ankitsi-po niaraka tamin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena,nanambara ihany koa ny ahiahiny manokana momba ny fifidianana filoham-pirenena ho avy sy ny eny anivon’ny kaomina. Noho izany, tapa-kevitra izy ireo fa: hanolotra eny anivon’ny Antenimiera, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny fanovana ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana amin’ny ankapobeny sy ny fitsapankevi-bahoaka mba hisian’ny zotram-pifidianana mangarahara, andraisan’ny besinimaro anjara tsy manavakavaka ary indrindra ny hisian’ny fangaraharan’ny vola ampiasain’ny mpirotsaka ho fidiana sy ny famerana izany eo ambany fanarahamason’ny Vaomiera mpanara-maso ny famatsiambolan’ny antoko politika ary ny fitovian’ny mpirotsaka mandritra ny fotoam-pifidianana; hanokatra ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra tsara sitrapo rehetra izay mitovy fijery sy manana tanjona mitovy aminay;hifanome tanana amin’ny hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana ho fanabeazana ny vahoaka malagasy mikasika ny raharaham-pifidianana sy ny fanaraha-maso manontolo ny raharaha amin’ny androm-pifidianana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT