Fanoherana ny fitsimbadihan’ny fifidianana

Nidina an-dalambe indray ny tao Maevatanana


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Nidina an-dalambe indray ny mponina tao Maevatanana ny andron’ny omaly 10 jolay 2024

notarihin’ny kandida depoiote Rasoarimalala Georgette na Zorikely. Nanamafy ny tsy fankasitrahany ny voka-pifidianana solombavambahoaka tany an-toerena. « Ny N°3 no manono ny voay, dia ny N°4 no miravaka ny vanginy », hoy ny vahoaka tamin’ny alalan’ny sora-baventy. Raha hiverenana ny tantara, nitarika tamin’ny isam-bato 32,55% (11 476) ny kandida tsy miankina Rasoarimalala Georgette, ary 31,47% (11 098) Mbade Jeannine Gabrielle avy amin’ny IRMAR tamin’ny voka-pifidianana vonjimaikan’ny CENI. Nitsimbadika anefa ny vokatra rehefa nivoaka ny didy tsy azo ivalozan’ny HCC ny 27 jona satria nisy vato 1906, izay tena tsy nampoizin’ny mpanara-baovao. Lasa resy mazava ho azy ny kandida Rasoarimalala Georgette izay efa depiote tamin’ny anaran’ny TIM tany aloha, saingy nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana, dia io nataon’ny HCC sy ny kandidam-panjakana sorona io. Efa vita ny pasoka daomy, efa nilatsaka ny didy tsy azo ivalozana, saingy io manda mafy io ny ampahan’ny vahoaka ao Maevatanana, izay nanohana an’ilay kandida natao sorona mazava ho azy. Raha tsiahivina dia kandida miisa 4 no natao sorona teny amin’ny HCC izay misy no toa nanaiky fifampiraharahana, misy ny mety ho nangina fa tratry ny atody miady amam-bato,… Ny tao Moramanga, Vondrozo, Maevatanana, ary Antsohihy no natao sorona, ka nivadika ho lasa nanana ny maro an’isa tampoka ny IRMAR. Ny mikasika ny tany Ihosy ihany koa dia nisy ny fanambarana nataon’ny mpanohana ny Kandida Ranary Tsy atoro fa Hita omaly, miantso ny HCC hanadihady any an-toerana, fa tena tsy rariny ny voka-pifidianana, fa nisy hala-bato,… Mety azo atao sangisangy zary tenany ny hoe : misy izany ao ny depioten’ny HCC, depioten’ny SRMV, depioten’ny hala-bato,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT