Mihantona tanteraka ny fanoherana amin'izao ary miandry ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fanoherana.
Naverin'ny loholona eny amin'ny Antenimieram-pirenena indray ilay tolo-dalàna PL 2019-01. Nanamafy hatrany ny depiote TIM Randrianantenaina Olivier Anthony José, voafidy tao Antsirabe II fa raharahan'ny rehetra ny lalàna momba ny fanoherana eto amintsika. Nohamafisiny hatrany fa na hiroso amin'ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka ny fandaniana ny lalàna 013-2011 aza dia tsy handany izany ny depiote TIM ary mitaky hatrany ny didy fampiharana. Voaporofon'ny antoko tanteraka fa maodely amin'ny fomba fanaovana politika izy ireo. Nampiakatra lenta ny adihevitra nandritra ny fandinihana sy fandaniana ilay tolo-dalàna. Ny TIM rahateo dia efa nametraka fanamby fa ho laharam-pahamena ny hasin'io andrimpanjakana mpanao lalàna io. Ny filohan'ny Antenieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, rahateo dia nilaza fa tsy azo tampenam-bava ny mpanohitra. Amin'ny alalan'io lalao demokratika io no ahitana raha mahavita miatrika fanoherana matanjaka ny fitondrana na tsia. Inona ary no mampihantona ny fanoherana ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.