Lany 100% ho filohan’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny talata teo ny depiote lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRD, Christine Razanamahasoa.
Fanontaniana nipetraka teo am-bavan’ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao taorian’io ny hoe hatramin’ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM izay efa mijoro ara-dalàna ho mpanohitra ve izany dia niombon-kevitra tamin’iny voka-pifidianana teny Tsimbazaza iny ihany koa ? Hatreto dia hita ho mbola mampametra-panontaniana ny maro izay endrika mety hisehoan’ny fanoherana eny anivon’ny antenimieram-pirenena izay. Nanaraka ny sata maha demokraty ny repoblika ve ny zava-nitranga ny talata teo ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.