Fanohanan’ny depiote Todisoa ny tanora

Mpianatra 89 nahavita fiofanana teny Anglisy


  • Talata 21 Novambra 2023

Mpianatra teny anglisy miisa 89 miandahy no navoakan’ny Fikambanana Ny Andraina ny sabotsy lasa teo teny Ambatolampy Antehiroka.

Nahavita fiofanana nandritra ny 9 volana izy ireo, ka notolorana mari-piofanana. Antony nandrisika azy ireo hanaraka io fiofanana io ny fahatsapana fa ilaina amin’ny sehatra rehetra na amin’ny fanohizana fianarana na ny tontolon’ny asa ny teny Anglisy. Ny fahatsapana fa tena ilaina ny teny vahiny, kanefa maro no tsy manana fahafahana hanaraka fiofanana izany no nandrisika Ny Fikambanana Ny Andraina nanofana maimaimpoana ho an’ireo tanora. Ray mpiahy azy ireo ny depiote Todisoa Andriamampandry, izay naneho fa maimaimpoana tanteraka ny fampiofanana sy « polycops » nampiasaina tamin’izany, ary mpampianatra matihanina no nizara ny fahaiza-manao tamin’ireo mpiofana tsy nanavahana saranga. « Tsy nanavahana antokom-pinoana na antokom-pivavahana na loko politika fa rehefa zanak’Ambohimanarina na iza na iza dia nomena izay fahafahana miofana amin’ny teny Anglisy izay satria fantantsika fa tena manana ny lanjany eran’izao tontolo izao ny teny Anglisy, ary na ho aiza ianao na ho aiza, raha hiditra amin’ny sehatry ny hiasa dia ilaina. Raha hiofana amin’ireny Ivon-toerana sy sekoly maro samihafa ireny anefa dia volabe, tsy zakan’ny Raiamandreny ety amin’ny Faritra iadidiako, ka izay no nahatonga anay sy ny fikambanana Ny Andraina nanome anjara biriky nanofanana maimaimpoana ny teny Anglisy, ary efa nanomboka iray volana eo ihany koa ny fanofanana momba ny teny Alema izay maimaimpoana hatrany ho an’ny zanak’Ambohimanarina », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tanjona ny hahaizan’ny zanak’Ambohimanarina, tsy hohabadoin’ny olona, fa mba ho mpitarika na eto an-toerana na any ivelany mba ho reharehan’ny taranaka Malagasy, hoy io olom-boafidy io namarana ny teniny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT