Fanohanana ireo mpitarika sendika

Nankasitrahan’ny zanak’i Toamasina


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Nisaotra ny fitsarana malagasy ny “Cellule de crise” ao amin’ny Zanaky ny faritanin’ny Toamasina eto Antananarivo

mitaky fanovana ny sabotsy teo tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny na dia tsy nahafa-po azy ireo aza izany. Ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izay nanome fahafahana vonjimaika ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES sampana Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, moa no anton’ny fisaorana nataon’izy ireo. Misaotra ihany koa ny herivelona rehetra, indrindra, fa isika avy amin’ny faritanin’i Toamasina na ny teto Antananarivo sy ny tany Toamasina, izany hoe ny “Adopt-FIZATO”, hoy izy ireo, tamin’ny fanohanana sy firaisam-po Betsimisaraka tsy misara-draha magnano ny firaisankina no hery. Isaorana ny fanohanantsika ireto mahery fontsika ireto, hoy hatrany ny solontenan’ny zanak’i Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, nankasitraka ny fanohanana ireo mpitarika sendika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT