Politique

Fankatoavana iraisam-pirenena Aza mamilivily resaka !


  • Zoma 30 Septambra 2011

“Tafaverina eo amin’ny toerany eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara(…). Manaiky ny fitondrana ankehitriny ny fianakaviambe iraisam-pirenena, nahazo fankatoavana (…). Tsy hisy sarim-pifidianana (…)”.

 Santionany tamin’ny fehezan-tenin’ny filohan’ny FAT tonga an-tanindrazana omaly ireo. Raha tsiahivina dia avy nanatrika ny fihaonambe faha-66-n’ny Firenena Mikambana ny tenany, avy eo nandalo tany Parisy. Manoloana izany dia fanontaniana no apetraky ny mpanara-baovao raha toa ka mody fanina ingahy Andry Rajoelina na manohy ny bontolo fanaony. Iaraha-mahafantatra satria niaraha-namaky ny votoatin’ilay sori-dalana fa raha tsy tanteraka an-tsakany sy an-davany ireo rehetra voalaza ao dia tsy hahazo izany fankatoavana izany velively i Madagasikara. Ny mpampianatra fifandraisana iraisam-pirenena toa an’ingahy Radanoara Julien koa efa nanazava fa tsy midika fankatoavana velively ny fanasana sy ny fandraisana fitenenana eo anoloan’ny firenena mikambana. Firifiry tokoa moa ireo mpitondra fanjakana tsy ankatoavin’izao tontolo izao kanefa mahazo anjara fitenenana ihany. Nialoha an’ingahy Rajoelina dia tsaroana fa ny mpitantana ny fanjakana palestinianina izay tsy mbola ankatoavin’izao tontolo izao no nandray fitenenana. Ankoatra izay dia eo koa ry Mouammar Kadhafi izay niaraha-mahalala fa fanonganam-panjakana no nahatonga azy teo amin’ny fitondrana. Raha tsy hiteny afa-tsy ireo dia familivilian-dresaka ny filazana fa midika fankatoavana iraisam-pirenena ny fandraisam-pitenenana teo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny fihaonana tamin’ny Sekretera jeneraly, Ban Ki-Moon. Ny tantara tsy fanadino. Mbola tsy nanana filohan’ny tetezamita i Madagasikara tamin’ny fihaonambe faha-64 ny Firenena Mikambana natao ny septambra taona 2009, na teo aza ny fifanarahana vita tany Maputo 1 sy Maputo 2. Ny fifanarahana vita tany Addis Abeba ny volana novambra 2009 no nametraka an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita, araka ilay “Acte additionnel”. Koa tsy nahagaga raha tratry ny hoe “sans qualité” izy raha tonga mba handray fitenenana amin’ny anaran’i Madagasikara teo anatrehan’ny Firenena Mikambana.

Nisafidy ny tsy ho avy izy ny taona 2010, fa hoe maika ny fiatrehana ny raharaham-pirenena eto. Nihazakazahana indray ny nandeha tany New York, vao nifanaraka ny vondrona politika ka nanao sonia ny tondrozotra nasiam-panitsiana teny amin’ny Le Paon d’Or, teo anatrehan’ny Troika. Nanao kabary i Andry Rajoelina ny 18 septambra, fa mankato ary vonona hampihatra ny tondrozotra. Ny 19 septambra izy dia nandefa taratasy tany amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-Moon, niangavy mafy tamin’ity farany mba handray ny fepetra rehetra hisorohana ny olana ara-diplaomatika toy ny tamin’ny 2009, fa mba te handray anjara fitenenana tamin’iny fihaonambe faha-66 iny, izay hararaotina ilazana ankehitriny fa midika fankatoavana iraisam-pirenena na dia mazava izao aza ny voarakitry ny sori-dalana, fa miandalana izany ary tsy hisy raha tsy tafajoro ny andrimpanjakana iaraha-mitantana ary andraisan’ny rehetra anjara.

Tsy atao mahagaga raha tsy noraisin’ny filohan’ny Kaomisiona Eoropeanina, Maule Barroso i Andry Rajoelina raha nikasa ho any Bruxelles. Tsy atao mahagaga koa ny Vondrona Eoropeanina raha milaza fa mbola “handinika” ny dosie an’i Madagasikara fa tsy hoe : “hanohy ny fanampiana na hampihantona ny sazy”. Ankoatra izay koa dia heverin’ireo mpanara-baovao fa adidy sy andraikitr’ity filohan’ny FAT izay nahatonga an’i Madagasikara nofaizin’izao tontolo izao ny mamerina ity firenena ity amin’ny toerana efa nisy azy hatramin’izay. Nilaza koa i Andry Rajoelina fa anisan’ny tolona natao ny tsy hisian’ny sarisarim-pifidianana. Toa adinony ihany ka ny nitranga tamin’ny kisarina fitsapan-kevi-bahoaka nataony ny 17 novambra 2010 teo. Teo amin’ny tantara manko dia tsy mbola nisy fifidianana nahabe resaka toa iny teto Madagasikara iny. Fitaka sy lainga araka ireo rehetra ireo ny filazana fa nankatoavina ny kisarim-panjakana mijoro amin’izao fotoana izao sy ny filazana fa tafaverina eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT