Fanjakana tsy mahavaha olana

Miaro tena amin’ny basy aman-tafondro sisa


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Mitombo sy mihamafy ireo olana sosialy eto amin’ny tany sy ny Firenena. Ny olan’ny rano sy jiro mamotika ny seha-pihariana maro.

Ny olan’ny fampianarana miverina isan-taona na isam-bolana mihitsy aza, raha tarafina amin’io fitakian’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo noho ny tsy fandoavana vatsim-pianarana ara-potoana, ny tsy fanajariana ny toeram-ponenana sy fotodrafitrasa samihafa,… Efa tonga amin’ny fihetsiketsehana satria vao tapa-bolana eo izay raha ela no naneho ny fahatezerany ny mpianatra eny amin’ny cité eny Ankatso, io indray omaly fa nihetsika ny mpianatra ny politeknika Vontovorona. Ny ara-tsosialy, vao tapa-bolana lasa ihany koa no nisy ilay fihetsiketsehana nataon’ny mponina teny Faravohitra noho ny olan’ny rano. Fihetsiketseham-bahoaka izay tsy vao sambany. Nialohan’ireny ny hetsika maro tao amin’ny Boriborintany fahadimy toy ny teny Andraisoro, Ampandrianomby, Amboditsiry, tonga hatrany Ambohitrarahaba,… noho ny olan’ny jiro sy rano. Tsy tena manam-bahaolana ny Fanjakana, fa ny sary hita sy miseho, dia toa amin’ny alalan’ny fandrangarangana sy fampiasan-kery hatrany sisa no hifehezana an’ireny. Tsy ny olana no vahana fa ny Emmo-reg no alefa hamoritra sy hifehy ny fanehoan-kevitra sy fitakiana ny hamahana ireo olana ara-tsosialy samihafa. Matoa tonga amin’ireny fihetsiketsehana ireny dia efa tsy voavaha teny ambony latabatra na nanaovana bemarenina, saingy adika sy raisina ho fanakorontanana. Tsy tonga amin’ny endrika tahaka izao raha tena mahomby sy miasa, ary tena mahavaha ny olam-bahoaka ny Fitondrana Rajoelina, fa dia ny fangejana sy famoretana vahoaka sisa vahaolana. Mihamafy ny fangejana, mitombo ny famoretana, ary betsaka no manasokajy fa Fitondrana efa miorina amin’ny basy aman-tafondro na « pouvoir au bout d’un canon » no misy eto Madagasikara. Tsy amin’ny alalan’ny famaliana ny filam-bahoaka sy asa fampandrosoana tena mahomby sy mipaka any am-bilanin’ny vahoaka no hoenti-mitantana firenena fa tena efa miorina amin’ny fangejana sy fampiasan-kery ankoatra ny kajy politika mamohehitra samihafa.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT