Politique

Fanjakana sy ny laharam-pahamehany “Nivoaka ny volan’ny teleferika, efa mandeha be ny asa”


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly 01 febroary 2023 ny fampahafantarana ny fivoaran'ny asa fanamboarana ao anatin'ny tetikasa teleferika na TPC (Transports Par Câble).

Nambara fa tsisy sakana intsony ny fahafahana manomboka ny asa ankehitriny, satria efa nankatoavin'ny banky « Société Générale» afak’omaly talata 31 janoary 2023 ny famoahana ny ampaham-bola voalohany (premier tirage) hananganana ny Zotra volomboasary (Ligne) mampitohy an'Anosy, Soarano, Ankorondrano, Ivandry, Analamahitsy ary Ambatobe, izay efa nanaovana didim-panjakana manambara fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka ny tetikasa tamin'ny 11 mai 2022, hoy ny tatitra. Ny orinasa POMA sy ny COLAS no manao ny asa, ka nambara fa efa vita ary efa tonga eto Madagasikara ankehitriny ireo fitaovana lehibe tahaka ny andrimby lehibe (pylônes) sy ny fototra hananganana ny tobim-piantsonana (ancrages des gares). Efa vita 100% any ivelany kosa ary efa miandry ny fandefasana azy eto Madagasikara ny kojakoja sy ny fampitaovana hafa rehetra ilaina amin'ny tobim- piantsonana na ny gara sy ny andrimby miisa 7 hatsangana eo anelanelan'ny fiantsonana Anosy sy Soarano. Andalam-pamitana ny famokarana ireo “cabines” hitondra ny mpandeha, ny milina hampiodina ny teleferika (motorisation) ary ny tariby hisintona ny fitaterana (câbles), izay hotaterina aty Madagasikara ihany koa raha vantany vao vita. Efa lasa kosa ny kaomandin'ireo fampitaovana rehetra ilaina amin'ny ampahany Soarano- Ankorondrano ARTEC sy Ankorondrano ARTEC-Ambatobe, ho hatrany ny tatitra. Raha ny asa efa manomboka eto Antananarivo dia ahitana ny fanomanana ny toerana hananganana ny tobim-piantsonana lehibe etsy Anosy tahaka ny fanapahana ny hazo, famindrana ny lalan'ireo tambajotrana herinaratra sy fifandraisan-davitra sy ny fananganana ny fototry ny trano izay ilaina eny an-toerana amin'ny maha-toby fiantsonana azy. Eo koa ny fanomanana ny fananganana ny andrimby na pylones eo anelanelan'Anosy sy Soarano ary ny famefena ny tobim-piantsonana eo Soarano izay efa iarahana miasa amin'ny Kaominina Antananarivo ny fandrindrana ny mety ho fanembatsembanana ateraky ny fanaovana ny asa ankehitriny. Tsara moa no mampahatsiahy fa vao tsy ela no nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao, fa hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 ny teleferika. 151 tapitrisa dolara moa ny teti-bidin’io. Isan’ny nanakiana azy ity mafy ny depioten’Ikongo izay IRD fa ny làlana mampifandray ireo distrika manerana ny Nosy no tokony ho laharam-pahamehana. Vao ny 28 janoary 2023 teo no nilaza ny Filoha fa hajanona aloha ireo fotodrafitrasa fa hitodika amin’ny sosialim-bahoaka!!!?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT