Politique

Fanjakana ratsy tantana Kolikoly, trafika, rà mandriaka Krizy mandavan-taona ny firenena Malagasy.


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Ny olana eo tsy miravona, ny eo misosoka ihany! Tsy misy zavatra tena voafehin’izao fitondrana izao, afatsy ny kifetifety sy “werawera” hoentina hampalaza tena.

Izay rehetra atao miteraka resaba na “polémique” avokoa. Ny firenena miha difotry ny olana sy fahantrana, ny mpitondra mbola mirehareha amin’ny tsy antony sy miezaka manodinkodina saim-bahoaka, ankoatra ny fampanantenana sy fanadiovan-tena mandavan-taona. Ny olana mitombo, ny vahoaka raha tsy matin’ny jiolahy dia lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana. Tsy atokisan’ny olona ny fahefam-panjakana noho ny antony maro. Mandrak’ity ny androany, tsy mety mivaha ny olana maro: vatsim-pianarana io mbola grevy lava io, ny mpandanja fiara 7 volana tsy nahazo karama, ny mpampianatra nitsara fanadinana tsy azo ny vola ary mifanilika ny samy tompon’andraikitra, ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique) mifoha indray ny fitakiany, ny CNaPS natao tantely afa-drakotra ary ahiana ny hoaviny, ny JIRAMA potiky ny tsy fahaiza-mitantana ary vitavita ho azy ireo raharaham-pitantanana tsy manjary toy ny fandanindaniampoana sy figogoana tombotsoa ataon’ny mpitantana, ny fahaverezana solika 64000L izay vitavita ho azy,… Ny Air Madagascar banky ropitra, ary miitatra amin’ireo sampan-draharaha mifandrohy aminy. Ny làlana tsy voakojakoja satria tsy voaloa ny volan’ny orinasa nahazo tsenan’asa tao anatin’ny telo taona, ny vola fandaniana solika nitombo 18,8% ny 2021 fa ny làlana tsy voakojakoja, tsy mazava hoe: nankaiza marina ny volan’ny FR (Fonds Routier) 547 miliara Ar fa toa sora-bola hatrany no tononina? Ny raharaham-pitantanana, tsy nazava ny fandaniana ny volan’ny coronavirus 444 tapitrisa dolara araka ny tatitry ny fitsarana momba ny vola. Ny tontolon’ny tsenambaro-panjakana hanjakan’ny afera sy kolikoly, ka isan’ny goavana ny ampamoakan’I Ravo Nambinina momba ny Minisiteran’ny fahasalamana izay amina miliara maro no nandeha tamin’ny tsy izy. Ireo dosie maloto maro iniana ampatoriana: trafikana volamena, fanjavonana volamena tao amin’ny Minisitera,… Ny toekarena miha mitotongana, ny vidim-piainana miha midangana, ny progaraman’asam-panjakana poakaty. Sarotra ny hisian’ny fahagagana, ary poizina ho an’ny firenena raha mbola ireo no homena dimy taona manaraka.
Toky R

(Sary fanehoana)  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT