Ny fanenjehana ny mpanohitra sy ny kajikajy politika mifandraika amin’izany miseho ankehitriny, dia porofo lehibe mivaingana fa tsy mahatoky tena sy tsy mahatoky valera ny Filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany.
Efa azo ny fahefana, ary efa manana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena, saingy tsy mbola afa-po. Raha tena fitondrana mahatsapa tena fa nahazo fandresena marim-pototra tsy namboamboarina tany amin’ny fifidianana, dia tsy ho tahaka izao mihitsy ny fahatokisan-tena ary tsy hatahotra sy hiasa saina amin’ny mpanohitra velively. Ny fanjakana ankehitriny no toa miezaka mamboly korontana sy mihantsy ny mpanohitra, izay mety ho kajikajy politika hoenti-manadio tena avy eo rehefa tsy mahazo vokatra, fa betsaka ny sakantsakana. Hitadiavana hevitra ny fomba hanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa, kanefa ny an-kilany dia efa milaza fa tsy hanao fanoherana bontolo, fa hijoro ho arofanina ary resaka foto-kevitra sy programan’asa no tena hiadian-kevitra, fa tsy hanogam-panjakana ohatran’ny tamin’ny 2009. Ny tena zava-misy ihany koa amin’izao fotoana izao, dia hita taratra fa tena mikatso sy tsy misy hafitsoka ny fitondram-panjakana. Ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola tsy hita soritra firy, fa ny fanampiana mahazatra, toy ireo ho an’ny sosialy tohin’ny tamin’ny fanjakana HVM no ezahina lalaovina. Mitohy ny karazana fijapiana masinina amin’ny asa vitan’ny teo aloha. Ny tetikasa lehibe ambara fa hatao mbola hitangirihana mpampiasa vola etsy sy eroa, ka any amin’ny Japoney indray no toa hitadiavana làlana amin’ny resaka Tanamasoandro. Ny resaka famahana olana, toy ny resaka tsy fandriampahalemana, ny fitsinjovana ara-tsosialy,… dia nambara fa tsy miandry 100 andro saingy inona no mitranga izao ? Tsy voafehy ny asan-jiolahy, midangana ny vidim-piainana,… kanefa dia mbola ny fanenjehana ny mpanohitra no lehibe indrindra!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.