Fanjakana Rajoelina

Mitohy hatrany ny fampiesonana manara-penitra…


  • Zoma 03 Mey 2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

raha nanao propagandy izy ny taona 2018. Manatontosa an-dry Tanamasoandro sy ry Flyover na ry Miami sy ny tariny rehetra fotsiny sisa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Nony nifarana anefa ny fotoam-piasany voalohany ny taona 2023, mbola tsy hita ihany hatramin’izao izay tena fiandohany sy fiafarany. Ilay hoe Miami niaraha-nandre tamin’ny fotoan’androny fa Toamasina ho atao mitovy amin’ny Miami any Etazonia lasa toerana fisarihana sy fakàna sary nohalavaina hoe «Miray hina sy mifankatia». Ilay Tanamasoandro sy lala-maro zotra na Flyover, tsy misy tokontaniny hatramin’izao. Potika ny lalana manerana ny nosy ary na ilay lalam-pirenena na RN 13 izay nilokalokana fa tsy hanaovana politika intsony raha tsy vita aza tena tsy vita tokoa rehefa nifarana ilay fotoam-piasana 5 taona. Hita ho mitohy hatrany, araka izany, ny fampiesonana manara-penitr’ilay fitondrana nijoro, raha ny tena marina aza, tsy 5 taona mahery fotsiny akory fa 15 taona mahery mihitsy izao, raha niandoha tamin’ny fanonganam-panjakana 2009. Izao izany nandritry ny fihaonana an-tampon’ny IDA dia hoe mila ampiana indray ny famatsiam-bola. Toy ireny tsy nilaza ireny ery fa raha mbola hiankin-doha amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany izany isika dia tsy handroso mihitsy na afaka 50 taona aza. Toy ireny tsy nilaza ireny fa ny Ntaolo tsy nila izany famatsiam-bola izany nefa nandroso. Ny taona 2022 no nambara sy nahazo marika an-taratasy mihitsy fa tompondakan’ny fanjarian-tsakafo nefa dia vao nifarana indray teo ny herinandro dia nilaza fa afaka 30 taona vao ho afaka eto amin’ity firenena ity ny tsy fanjarian-tsakafo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT