Manomboka mahasosotra ny manam-pahefana sasany ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. I
o iaraha-mahalala io ny karazana tambabe ataon’ny depiote azy, eny fa na ireo IRD aza. Toa andrim-panjakana iray no tsy faly aminy eo anatrehan’ny fihetsiny tamin’ilay raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Tany Bongolava, toa misy ny fifandrafiana teo aminy sy ny olon’ny IRD tarihin’ny depiote iray. Manana ny antokony manokana rahateo ity minisitra ity na manohana ny filoham-pirenena aza. Betsaka no mieritreritra sy mahita ary mahatsapa, fa tena miketrika mafy ho an’ny antokony ity Minisitra ity, fa tsy ho an’ny Fitondrana Rajoelina, hany ka na ny IRD aza efa maro no sosotra. Ankehitriny, toa mahazo kiana ihany koa ny tenany amin’ity isaky ny mihetsika dia izy no entin’ny Filoham-pirenena makany ivelany ity. Tahaka ny hoe olona mahatokin'ny Filoha mihitsy raha ny fahitana ny sary sy ny fahatokisan-tenan’ny minisitra. Indraindray toa tsy tena misy hidiran’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny lohahevitry ny dia any ivelany, saingy hita hatrany ity Minisitra, toy ny dia tany Vienne Autriche, Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany Etazonia, ary io vao farany teo tany Etazonia mikasika ny fiaraha-miasa ara-toeakaren’I Afrika sy Amerika. Na ny ao anatin’ny governemanta aza misy ny efa sosotra. Mandeha avy eo ny seraseran’ny Filoha toa, raha laza no notadiavina, dia tsy izay no niseho rehefa niresaka momba ny ambara fa fahombiazana amin’ny resaka famatsiam-bolan’ny MCC (Millénium Challenge Corporation). Maro amin’ireo mpandinika politika no maneho ankehitriny, fa eo anatrehan’ny efa sary ratsin’ny mpitondra ankehitriny, dia mbola mety ho avy amin’ity Tompon’andraikitra ambony iray ity no hanampy trotraka sy hihavihan'ny fanafintohinana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.