Politique

Fanjakana mpiala bala Ny Repoblika faharoa no atao fitaratra


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Miharihary ny olana ara-pitantanana firenena ankehitriny, tsy voasarona amin’ny serasera sy sehoseho ivelany intsony ny krizy.

Mitotongana ny toekarena, ambony ambany ny fiainana ara-tsosialy, miharihary ny krizy ara-bola,… Ny serasera sy ny fomba hoentina manadio tena sy manarontsarona izany sisa no amboamboarina. Tonga hatramin’ny filazana hoe: tsy tahaka ny an’ireo filoha teo aloha ny an’ny Filoha Rajoelina, fa nisedra olana ny fitondrany ny firenena. Angaha tsy olana sy krizy no novantanin’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002? Mbola tratry ny krizy ara-bola goavana maneran-tany ny 2008 nialohan’ny fanonganam-panjakana, saingy nahavita nampiakatra ny harin-karena ho 7,1%, nahavita nametraka an’i Madagasikara ho firenena fitaratry ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny Indostria na ONUDI,… Tonga teo I Atoa Hery Rajaonarimampianina, nanentsina ny tsy fahaiza-mitantan’ny tetezamita, niezaka namerina ny fitokisana iraisam-pirenena,… Tonga indray Rajoelina dia io iaraha-mahalala io. Tototry ny olana samihafa, na ny vola hanodinana firenena aza ifampitadiavana,… Ny zava-nisy efa tany amin’ny Repoblika faha-2 no toa ialokalofana sy ialana bala ary sanatria atao filamatra. Lazaina indray mantsy eo anatrehan’ny olana amin’ny fandoavan-karaman’ny mpiasam-panjakana, fa ny fitondrana rehetra nifandimby teto nanomboka ny 7 mai 1997 dia efa nanao sy nampiasa izany "bon du trésor par adjudication" izany araka ny Didim-panjakana nivoaka tamin'izany taona izany. fomba iray ahafahan'ny Fanjakana manana vola sy mampiasa vola ary manampy ny fandraharahana ka tsy tokony ho fitahin'ny mpanohitra amin'ny hevi-disony ny vahoaka, hoy ny fanazavan’ny Minisitra iray ny faran’ny herinandro teo. Sarotra ny hiaiky fa tsy mahavoa, ary mbola miharihary fa ny naka fahefana no nahamaika fa ilay hitantana sy hampandroso firenena mbola lavitry ny kitay ny afo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT