Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
sampandraharaha misahana ny heloka an’habaka na “Cybercriminalité” ny Filoha lefitra voalohan’ny CENI », hoy ny fanambaran'ny CENI tamin’ny alalan’ny Filohany sy ireo mpikamban’ny Birao maharitry ny vaomieram-pifidianana. Anton’ny fanenjehana ny fiahiahiana famoahana antontan-kevitra tsy nahazoana alalana, mikasika ny tolo-dalàna navoakan’ny Antenimierandoholona momba ny lalànan’ny fifidianana, izay niseho teny anivon’ny haino aman-jery. Marihina fa nahazo taratasy fampanatsoana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny zandarimaria misahana ny heloka an’habaka (cybercriminalité) ny Filoha lefitry ny CENI, Andoniaina Andriamalazaray. Sokajiana ho olona ahiahiana izy, araka ny voalazan’ny taratasy. Miaro mafy azy kosa ny CENI, ary naneho fa maro ny antony hanamelohany io fanenjehana io. « Misy fitsipika mazava momba ny fanenjehana mpikamban’ny birao maharitry ny CENI raha misy fahadisoana goavana nataon’io mpikambana io, araka ny andininy faha-28 amin’ny lalàna laharana 2015-020 tamin’ny 9 Oktobra 2015 momba ny CENI. Mandalo fivoriamben’ny Birao Maharitra ny fitoriana, ary io no mandinika sy mandanjalanja ny tohin’ny fanenjehana tokony hatao », hoy ny Filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo. Nambaran’ny CENI fa tanjona amin’izany ny fiarovana amin’ny fanenjehana tsy ara-drariny, sy ho fanajana ny maha-rafitra mahaleo tena azy. Nanamafy hatrany ity rafitra ity fa tsy voahaja ilay lalàna etsy ambony, satria nahazo fankatoavana avy amin’ny Birao Maharitra ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitra tamin’ny haino aman-jery. Tsy ny CENI akory no namoaka voalohany ilay antontan-kevitra mikasika ny volavolana tolo-dalàna, fa fanehoan-kevitra sy fanamarinana no nataony, satria resaka fanitsiana sy fanampiana amin’ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna laharana 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 momba ny fifidianana no votoatiny, hoy ny fanazavana,… « Hamafisiko! Melohiko! Melohinay tanteraka ny fanenjehana izay nataony! », hoy i Dama Andrianarisedo. Somary mampametra-panontaniana anefa ity toe-javatra ity: fa angaha rehefa ampanantsoina sy hadihadiana dia meloka avy hatrany?
VALY BONTANA
Tetsy ankilany, nisy serasera nivoaka milaza fa avy amin’ny Jeneraly Ravalomanana, naneho hoe: « Miendrika « corporatisme déplacé » ny nataon’ny Birao Maharitra ao amin’ny CENI. », izany hoe : noraisiny ho fifampiarovana an-jambany. Voalaza ao anatin’io fa tsy ny Filohan’ny Antenimierandoholona akory no nitory. Ny Directeur de la Législation et des Études (DLS) ao amin’ny Antenimierandoholona no nanatitra fitoriana, satria nivoaka tao amin’ny Facebook ny taratasy mbola hodinihina, ny 22 Mey 2025. Kanefa ny 26 Mey 2025 vao tena nivory, ary volavolana vaovao efa nohavaozina no nodinihina. Ny 28 Mey 2025 vao nalefa tany amin’ny Governemanta ho an’ny mba hasiana maso. Araka ny fanazavan’ny andaniny, ny lalàna laharana 2016–029 tamin’ny 24 Aogositra 2016 (manan-kery amin’ny “code de la communication médiatisée”) sy ilay fanitsiana 2020-006 tamin’ny 1 Jolay 2020 no manasazy ny famoahana tsy ara-dalàna an’ilay taratasy. Voalaza fa mpiasan’ny Antenimierandoholona no tsy maintsy namoaka azy, ka tafiditra amin’ny fanararaotana amin’ny asa na “abus de fonction”, araka ny andininy 179.1 amin’ny lalàna laharana 2004–030 tamin’ny 9 Septambra 2004. Fampitsirihana sy fanenjehana amin’ny fanitsakitsahana tsiambaratelo arak’asa (“divulgation de secret professionnel”) no tanjona amin’ny famotorana, hoy hatrany ny tatitra, ary ny DLS no mitory satria tao amin’ny sampan-draharaha tantaniny no nivoahan’ilay antontan-kevitra. Azo heverina ho sakana amin’ny fizotry ny fanadihadiana (“entrave au bon déroulement d’une enquête judiciaire”) ny fanambarana nataon’ny CENI, ary mety ho tafiditra ao anatin’ny paikady manokana hampizarazarana ny Filohan’io rafitra io, hoy ny andaniny.
Herintaona mahery kely tahaka izao no nenjehina avy eo nohelohina i Patrick Raharimanana rehefa namoaka ny « agenda présidentiel » mikasika fitsidihan’ny Filoham-pirenena, ary io indray koa misy hafa mikasika ny Antenimierandoholona. Endrika maneho fa tsy voafehy ny Fanjakana, mivoaka ny tsiambaratelo samihafa,… Asa ihany koa itony fifanoherana mandeha eo amin’ny samy olom-panjakana itony na tena ady na sarin’ady entina hanodinkodinana saim-bahoaka ? Ny filohan’ny CENI izay olona natolotry ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina no niaingany, ny Filohan’ny Antenimierandoholona ihany koa toy izay !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.