Politique

Fanjakana miangatra Milentika any am-ponja i Stan’ley, miriaria i Tatandraza


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Toe-javatra roa maneho ny fisian’ny Fanjakana miangatra sy mietraketraka ny raharaha Stan’ley Ramarivelo sy ny an’I Marc Tatandraza.

Ny faramparan’ny volana septambra 2022 no nidoboka am-ponja vonjimaika ilay tanora mpaneho hevitra sy mpizara vaovao tamin’ny Facebook antsoina hoe: Stan’ley Ramarivelo. Isan’ireo sahy nitsikera ny fitondram-panjakana, nitanisa ny zavatra tsy nety,… Nosamborina avy eo fa hoe: tompon’ny Kaonty Facebook mpanevateva sy mpanopa olona ambony eo amin’ny fitondrana. Lazaina fa diso tonga dia milentina any am-ponja. Tsy fiarovana azy, fa na efa tany am-ponja aza izy, mbola nandeha ilay kaonty nolazaina fa izy no tao ambadika. Hatramin’ny reniny dia lasibatra satria noesorina tamin’ny asa niantsorohany. Mandrak’ity ny androany, toa tsy re intsony ny tohiny, toy ny raharaham-pitsarana momba azy. Toa maneho fa ambadika sy lonilony politika no nentina nandetehana sy nampirimana azy any am-ponja. Etsy ankilany, miriaria sy miaina finaritra I Marc Tatandraza izay mitonona ho olon’ny fitondrana. Efa firy taona izay no nandrahona olona, nanao horonan-tsary tamin’ny Facebook mampiseho sabatra ary milaza mihitsy hoe: hojinjainy amin’iny sabatra iny Rakoto na Rabe, indrindra fa ireo mitsikera fitondrana. Firifiry ny fanakorontanana saim-bahoaka sy fandrahonana nataony fa moa misy tohiny? Moa tsy mody namoahana didy fampisamborana fa avy eo vitavita ho azy teny? Nahoana no notazanim-potsiny? Mbola maro ihany koa ireo kaonty fako manimbazimba sy manompo olona, miteny ratsy milaza zavatra tsy fampiseho masoandro,… fa nahoana no hodiana adala? Izay tsy mitovy hevitra amin’ny Antokon’ny fitondrana ihany no mendrika hizioga any Antanimora fa ny hafa karamaina mihitsy aza hanaratsy sy hanimbazimba ireo mpanohitra sy ny mitovitovy aminy? Fa natao ho an’iza marina ny lalàna?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT