Politique

Fanjakana kely ao Toamasina Refesin’ny Prefe ny fitsarana sy ny governemanta


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Namoaka didy manome baiko ny vadintany rehetra ny Prefen’I Toamasina Atoa Ambinitsoa Jean José ny 09 martsa teo,

fa ahantona daholo ny didy fandroahana olona amin'ny tany na trano navoakan'ny fitsarana ary tanterahin’ny vadintany “huissier de justice”, ary ahantona avokoa ihany koa ny fanomezana mpitandro filaminana hanampy ny vadintany amin’ny fanatanterahana didim-pitsarana. Noho ny korontana mety ho aterak'izany fandroahana olona izany, kanefa hiatrika fifidianana filoham-pirenena isika ny 09 novambra 2023 (fihodinana voalohany), sy ny 20 desambra 2023 (fihodinana faharoa) no voalaza fa antony. Tsara anefa ny manamarika fa ny didim-pitsarana dia raisina amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, ary heloka henjehin’ny lalàna ny fanohintohinana ny fampiharana azy.
FAHEFANA AVY AIZA ?
Marihina ihany koa fa andraikitra laharana faha-7 amin’ireo 12 sahanin’ny Praiminisitra, araka ny voalazan’ny andininy faha-65 amin’ny lalàmpanorenana ny hoe: “manara-maso ny fampiharana ireo didim-pitsarana”. Ny Praiminisitra ihany koa no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy manara-maso izany, raha ny andraikitra faha-8 amin’io andininy io. Fahefana avy aiza , avy amin’iza no ahafahan’ny Prefe mampiato didim-pitsarana sa efa notovanana ho Lehiben’ny Fitsarana ny andraikiny ? Manampy trotraka izany, tsy mbola nisy didim-panjakana manamafy ny hanatanterahana ny fifidianana araka ireo vinana daty natolotry ny CENI, ka tonga dia naka ny toeran’ny Praiminisitra sy ny governemanta ve izany ny Prefen’I Toamasina nandray io fanapahan-kevitra fa amin’ireo daty ireo ihany koa ny fifidianana? Tena fandaminana ny lafin-tany sy ny fiarahamonina ve sa sanatria vao mainka loza ho an’ny fitantanan-draharaham-panjakana?
FANJAKANA KELY
Mandeha ny fanamarihana sy ny fanehoan-kevitra samihafa, fa kazaran’ny manangana Fanjakana kely ao anaty Fanjakana be ny Prefen’I Toamasina, ary efa endrika tsy fahafehezana Fanjakana intsony ny tahaka izao. Hafahafa ilay fanapahan-kevitra, tratry ny kiana mivaivay ny Prefe, voaloto ny fahefam-panjakana,… Raha ny loharanom-baovao azo avy any Toamasina ihany mantsy, voalaza fa fanapahan-kevitra manokan’ny Prefe io. Ny voasoratra ao anatin’ny taratasy anefa na izany aza dia voalaza fa niarahana nanapaka tamin’ny OMC (Organe Mixte de Conception). Mandeha ihany koa ny fanamarihana fa tsy vao sambany ny tahaka izao. Andrasana anefa ny mety ho fanazavan’ny Prefe na ny Minisiteran’ny Atitany manoloana io raharaha io. Mandeha kosa ny resaka fa mety hoesorina mandritra ny filankevitry ny minisitra anio alarobia 22 martsa 2023 ny Prefen’I Toamasina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT