Politique

Fanjakana ankehitriny Be sinema, mihevitra ny vahoaka ho bado


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Raha mpitondra be sinema sy mihevitra ny vahoaka ho bado tsy misy tahaka ity Fitondrana ity tao anatin’ny 62 taona. Mahita zavatra hatao hampalazana tena, hanodinana saim-bahoaka, tia manabado vahoaka,

eny tena tompondakan’ny lainga sy fitaka ary fampanantenana poakaty. Tsy mbola nisy nahavita niteny an’izany teto hatramin’ny naha Madagasikara an’ity tanintsika ity hoe: efa any anaty sambo ny tramway, ary tonga afaka iray volana sy tapany, kanefa 11 na 12 taona aty aoriana tsy nisy akory. Eto indray isika hitsara afaka iray volana sy tapany hoe: ho tonga mialohan’ny faran’ny taona ihany koa ve ilay bus 1000 isa hampiasaina eto Antananarivo. Iny indray ny faran’ny herinandro teo, nolazaina fa rava ny tsena sy ny fifanarahana rehetra tany ivelany noho ny fanatsatsoana nataon’ny Gazety Frantsay Le Monde Afrique, fa tsy misy porofo ara-tsiantifika ny CVO+, ka tsy nisy vola niditra satria karazan’ny nanao varotra bôjy ho an’ny tsena anatiny. Lahatsoratra nivoaka ny 22 jolay 2022 no nambara fa antony, kanefa ny mpiasa aza voalaza ny 28 septambra 2022 fa 5 volana tsy nandray karama, izany hoe ny volana aprily na may 2022 izany no efa tsy nandray karama sy nisy olana. Asa avy aiza marina izany ilay vola 112 tapitrisa Ariary natolotra ny Akamasoa tamin'ny Krismasy 2021 ireny satria ny Filoha Rajoelina nilaza fa tombom-barotry ny CVO izy iny? Volana vitsy taorian’izay anefa, dia voalaza fa tsy nahaloa karama. Vao tany am-piandohana dia efa namoronana sinema, nampiasana mpampinany sandoka avy any Brezila fa I Madagasikara no hanavotra izao tontolo izao kinanjo inona no nitranga? Ny Malagasy namporisihina hamboly artemesia fa ireny hono no lafo sy mampidi-bola kokoa noho ny vary. Toa tsy nahavotra ny tenany ilay bizina, ka mitady izay hamaharana, toa misy fanazavan-kevitra tsy mitombona sy lasa resa-jaza izany. Toa ampangain’ny lainga matetika satria mihevitra ny vahoaka ho bado mandrakariva. Eo iny toe-javatra iny, fa asa ihany koa ny tena marina na finiavana hilalao saim-bahoaka indray itony resaka fitifirana olom-boafidy itony na tena marina? Iza no mety hahazo tombotsoa amin’ny fahafatesan’ilay olona? Inona ny resaka sy lonilony nialohan’ilay toe-javatra? Hamono olom-boafidy ve ny mpamono dia tena ny fiara izay fantany fa tsy laitram-bala fa tsy eny amin’ny toerana tsy maha tsara fiarovana toy ny any anaty vahoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT