Fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena

Miantso ny miaramila hijoro ny Antoko Kintana


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

ka tsy hanaiky hoentim-bazaha, ary misy ny mifanohitra amin’izany dia ireny efa hitantsika ireny. Isaorana ny kandida 11 izay mijoro fa tsy ekena hoentim-bazaha ny firenena, isaorana ny sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka na SECES, ny administratera sivily, ny firaisamonim-pirenena, ny vahoaka,… izay miaro ny fiandrianam-pirenena”, hoy ny Antoko Kintana tarihin’Atoa Tabera Randriamanantsoa ny sabotsy teo. Nanambara io antoko io sy ny CRN na Komitin’ny Fampihavanam-pirenena izay naorin’ny Profesora Zafy Albert tamin’ny fotoan’androny, fa manohana sy mandrisika an’ireo vondron’ny kandida filoha hiroso amin’ny tolona fa tsy fanekena ny fanomezana ny firenena hoentim-bazaha. “Miantso ny miaramila fa ianareo no mpiaro ny fiandrianam-pirenena, miantso anareo izahay mba hijoro fa tsy ny olo-marina miaro ny fiandrianam-pirenena no sakananareo. Ianareo no tokony ho lohalaharana amin’ny fiarovana an’izany. Miantso ny mpitsara ihany koa, fa ianareo no tokony ho voalohany amin’ny fiarovana izany fiandrianam-pirenena izany, fa tsy tokony hijanona amin’izao”, hoy I Tabera Randriamanantsoa. Ny zava-misy mantsy, hoy izy ireo, dia ny andrim-panjakana asaina miaro ny mpanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena satria arovan’ny HCC, arovan’ny CENI, arovan’ny governemanta. Tsy manaiky an’izany ny vahoaka, fa tsy maintsy ho resy lahatra, ary tsy maintsy hotsarain’ny tantara ireo mijoro miaro miady ho an’ny vazaha. Izahay dia tsy manaiky ny haha-kandida an’I Andry Rajoelina, ka miantso ny vahoaka hitsangana hiaro ny fiandrianam-pirenena, hijoro fa tsy ekena hoentim-bazaha sy ny Taranaka Gallièni Vaovao ny firenena, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa. Nanentana ny olom-pirenena eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anion oho izany izy ireo. Niantso ireo mpitondra ihany koa tsy hitsoaka any ivelany, fa miara-mahita ny fanombohany sy fiafarany eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT