Politique

Fanisana mpifidy ao Ambohitrimanjaka Mpanisa 14 no misahana fokontany 25


  • Talata 25 Oktobra 2022

Efa mandeha ankehitriny ny fanisana mpifidy ety Ambohitrimanjaka, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa.

Kely ny isan’ny mpanisa na “agent recenseur” raha mitaha amin’ny isan’ny fokontany satria 14 izy ireo no misahana fokontany 25, hoy izy. Mampirisika ny olona hampiditra ny anarany ao anaty lisi-pifidianana izahay mba hahafahany mandray ny andraikiny amin’ny fotoana fahatongavan’ny fifidianana. Manana tambin-karama manokana 300 Ariary isaky ny olona voaisa moa ireo mpanisa. Ny olana dia ireo sefo fokontany tena mahafantatra ny fokontany sahaniny dia 10.000Ariary isan-telo volana no anjarany. Ireo “agent recenseur” nefa be dia be no tsy mahalala akory ny fokontany iasany. Raha tsy eo izany ny sefo fokontany mitari-dalana an’ireo dia tsy ho tafavoakan’ireo io. Mba tokony jerena ihany ny dikan’izany ny fandrisika ho an’ireo sefo fokontany ireo. Mila jerena etsy ankilan’izay ny fandaminana ny famonjena ireo olona any an-trano satria fotoanan’ny fanetsana izao. Mety miala amin’ny 6 ora maraina ao an-trano dia tsy tafaverina raha tsy amin’ny 4 hariva ny olona. Misy sefo fokontany manorina kara-panondro fotsiny dia iny no omeny ilay mpanisa. Izany hoe lasa tsy mihetsika ilay mpanisa ka tsy azo ekena ny toy izany. Mila mailo amin’io satria hoe sao ny kara-panondron’izay tiany hifidy ihany no alainy. Ny resaka famatsiana ilay tablety ho an’ireo mpanisa moa dia mbola hanaovanay antsoavo amin’ireo tomponandraikitra hoe mba alefaso ny anjaranay fa mbola tsy nisy nahazo na iray aza mba hanamora sy haha matotra ilay asa atao. Taty amin’ny faha 10 oktobra taty daholo vao nanomboka fanisana fa tsy nisy nahaja ilay hoe voalohan’ny volana oktobra satria niandry an’io tablety io. Tsy tonga moa ilay izy dia hoe aleo ary alefa amin’izay fitaovana eo am-pelantanana aloha. Raha betsaka angamba dia eo amin’ny 7%n’ny fanisana any hatreto no vita, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT