Miisa 9 903 913 ireo olom-pirenena afaka mifidy raha ny tarehimarika azo teo anivon`ny CENI nandritra ny fanolorana ny vokatry ny famaranana ny lisi-pifidianana tetsy Alarobia omaly. Araka ny voalazan’ny andininy faha 30 ao amin’ny lalàna laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 manan-kery amin’izao fotoana izao dia « Ny 15 aprily no hamaranana tanteraka ny lisi-pifidianana ».
Taorian’ny fotoam-pisoratana anaty lisitra (ny 01 desambra 2017 hatramin’ny 31 Janoary 2018), ny 20 andro nahafahana nanamarina ny fisoratana anarana sy nametraka fitarainana, ny fanadiovana ny lisi-pifidianana izany hoe fanesorana ny anara-miverin-droa sy ny anaran’ny olona efa maty tao anaty lisi-pifidianana dia nahitana taham-piakarana 7,38% izany tamin’ity fanavaozana farany ity. Raha ny tany amin`ny faritra indray dia tao amin`ny faritra Atsinanana no nahitanana taham-piakarana ambony indrindra satria 11,82% izany tamin`ny ankapobeany. Tany Iakora ao amin`ny faritra Ihorombe no nahitana izany taham-piakarana indrindra izany teo amin`ny distrika miisa 119 manerana ny Nosy. Tsy tratra kosa ny tanjona napetraky ny CENI ho 10 tapitrisa kanefa misy ihany ny ezaka lehibe mba hahafahan`ny olom-pirenena mistraka ny zony hoy ny Filohan`ity rafim-panjakana ity, Atoa Rakotomanana Hery. Azo tsapain-tanana ny vokatra tamin`ny paik`ady napetraka sy ny fahaiza-manao teo amin`ny fampitomboana ny isan`ny mpifidy hoy hatrany ny fanazavana. Marihana fa ny taona 2016-2017 dia 8 673 485 ny isan`ny mpifidy voarakitra tao anatin`ny lisi-pifidianana, izany hoe nahitana taham-piakarana eo amin`ny 28.6%. Miandry fatratra ny fivohan`ireo lalàna fehizoro ity vaomiera misahana ny fifidianana mba hahafahan`izy ireo manohy ny asa rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.