Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo
nampivarahontsana teto amin’ny firenena tato ho ato ity, hoy ny mpamakafaka sady mpanao politika, Faniry Razafimanantany, ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy ireo sy ireo akaiky azy rehetra. Efa moa, hoy izy, ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra mahefa mikasika an’izay ka dia miandry isika. Mikasika ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny kosa dia matoa mitranga izao rehetra izao dia ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondràna, ny tsy fahombiazany, ny fikorontanan’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ny tsy fahafehezana ny olona napetraky ny mpitondra fanjakàna amin’ny andraikiny tsirairay avy, ny fihoaram-pefy marobe amin’ny fandraisana fahefàna ho an’ny sasany, ny fisian’ny kolikoly tsy voafehy intsony ary efa mihanaka sy mahazo vahana, ny fahapotehan’ny tontolo ara-tsosialy sy toekarena no antony. Efa nilaza izahay tao amin’ny fanoherana fa hidona amin’ny tolàna io fitondràna io rehefa tsy mazava ny fomba fitantanany. Efa fantatry ny mpanohitra fa tsy ho tafavoaka io. Na izy naka fahefàna tany amin’ny taona 2009 na izy niverina nandray fahefàna taty amin’ny 2024 dia efa fantatra izany. Tsy zava-baovao izao mitranga izao fa efa nampitandreman’ny mpanohitra. Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fitotongan’ny vola malagasy, ny fahapotehan’ny lalan-dràn’ny toekarena, ny lalana ifamezivezena anatiny, ny lalam-pirenena, ny tsy fahafahan’ireo tena mpitatitra manao ny asany ara-dalàna noho ny tsy fisian’ny akora entiny miatrika izany. Ny tontolo ambanivohitra izay mampitsaoka ny tambanivohitra, ny resaka tsy fandriampahalemana iainantsika izao dia entina ilazàna daholo fa efa tena miantraika mafy ilay tsy fahatomombanan’ny toe-draharaha. Na ny karaman’ny mpiasa tena sy amin’ny orinasa tsy miankina aza tsy mahavelona satria potiky ny herinaratra izay tsy miodina ara-dalàna. Ahoana moa no ahafahana manao fiharian-karena amina herinaratra 4 ora anatin’ny 24 ora? Manginy fotsiny ny tsy fisiana rano sy ny samihafa. Mandeha any amin’ny lojikan’ny faharavan’ny fitondràm-panjakàna izao toe-draharaha izao satria efa tafiditra ao anatiny ny olana mitranga. Ny olana tafiditra ao anatiny dia ny fikorontanan’ny andrim-panjakàna sy tsy fitovian-kevitry ny samy mpitondra fanjakàna. Somary nisy fifanolanana, ohatra, ny teo anivon’ny antenimieram-pirenena sy governemanta. Sarotra ny hiheritreritra hoe tsy hanao LFR na hanitsy tetibola izany. Na ny fahafahana miatrika ny karazana fanontaniana sy valiny aza nanahirana nefa fahafahan’ny antenimieram-pirenena izany. Mivoaka eny amin’ny tambazotra sy haino aman-jery ny olan’ny solombavambahoaka amina mpikamban’ny governemanta. Ny vaomiera misahana fifidianana na CENI mifanjinjan-kevitra amin’ny filohan’ny antenimieran-doholona. Tena mandeha araka ny tokony ho izy ve ny rafitra eny anivon’ny kaominina, izay misy ny ben’ny tanàna sy mpanolontsaina? Mitaraina daholo izao ny andrim-panjakàna rehetra ary ny ao anatiny ihany no mamoaka izany. Vahaolana ny fialàn’ny andrim-panjakàna rehetra ary manana safidy ny filoham-pirenena na ho miara-rendrika amin’ireo lehibena andrim-panjakàna na ho sahy hanala azy ireo sy ny tsy fahombiazany amin’ny toerany. Efa iaraha-mahita ny tsy fananam-bolan’ny fanjakàna izay mahatonga azy mitotototo any Chine sy tany arabo io ary voatery hikitika rijan-teny mihitsy aza ny sabotsy teo. Efa mikapoka latabatra izao ny sehatra iraisampirenena no dikany! Na ny filoham-pirenena hisafidy hiara-rendrika amin’ny ekipany na hamotsotra ny praiminisitra sy ireo governemantany ireo dia manangana vaovao, hoy hatrany i Faniry Razafimanantany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.