Faniry Razafimanantany

«Miandry antsika ny taranaka»


  • Zoma 04 Jolay 2025

Maro tamin'ireo namako nanompa sy nanenjika ary nihevitra ahy ho mpankahala

be fahatany ny mpitondra no indro fa niverina tsikelikely tamin'ny finamanana ara-politika, am-bolana vitsy izay, ka nifampiresaka indray, hoy ny mpanao politika sady mpamakafaka raharaham-pirenena, Faniry Razafimanantany. Niala tsiny ianareo tamin'ny teny mahery ireny, hoy izy. Nitondra fifonanana fa nampidi-kizo ny firenena. Hoy aho hoe «Misaotra ry namana isany!». Tsy misy antony tokony ifonana sy ialan-tsiny mihitsy fa safidy io. Mety nihevitra ianareo fa hanao zavatra tokoa ireto olona ireto. Mety mba nanantena fiovam-piainana tsara kokoa noho ny teo aloha. Mety mba nanana fanamby ny hiova "saingy... kinanjo... kanefa... loza…" ny zava-misy ankehitriny. Tsy misy tsiny! Izahay moa dia efa nanampo ny zavatra hiseho tamin'ireny. Niezaka nitazona ny fomba fijerinay sy fijoroana hatramin'izao. Miseho isan'andro ary miha mafy ny fahapotehan'ny firenena sy ny olona. Izao no niafaran'ilay Madagasikarantsika sisa! Aza kivy! Isika mijoro miaraka no hanavotra ny tanindrazana. Misaotra anareo tonga saina! Mirary soa sy fahatongavan-tsaina ho an'ireo izay mbola manantena saingy indrisy! Zava-dehibe loatra ny fifankatiavana, firaisankina, fihavanana. Banjino ny Tanindrazana! Miandry antsika ny taranaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT