Politique

Faniry Razafimanantany “Efa mihoatra ny krizy ny zava-misy eto”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Efa tafiditra tao amin'ny "Tolo-kevitra fitsipaham-pitokisana ny governemanta" ny volana desambra 2022 lasa teo ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny kere any amin'ny faritra maromaro,

indrindra, manokana ny any Atsimo Antsinanana iny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Faniry Razafimanantany. Niniana nampanginina moa ilay fitsipaham-pitokisana, hoy izy. Hay afon'apombo niotrika tao, arak’io vaovao any Ikongo io. Efa mihoatra ny krizy ny zava-misy eto amin'ny firenena. Mila fandraisana andraikitra faran'izay maika, hoy hatrany ny tenany. Nohamafisin’ny depioten’i Madagasikara lany tao amin’ny distrikan’Ikongo, Jean Brunelle Razafitsiandraofa, moa omaly fa efa mivaro-janaka ny olona fa sahirana. Tsy Ikongo irery, hoy izy, fa ny “Grand Sud Est”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT