Fanirisoa Ernaivo

“Sanatria amiko ny hilavo lefona!”


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Eo amin'ny fisasahan'ny fiainako aho androany, hoy ny mpahailalàna, Fanirisoa Ernaivo,

ny sabotsy teo, dia faly mizara aminareo ny eritreritro. Feno fahasoavana na dia maro ny sedra sy zavatra nolalovana, hoy izy. Tsapako fa feno fitahiana ny fiainako. Izay rehetra nitranga dia navadika ho hery sy fahasoavana ary nitondrako tao anatiko hoe “positive” na miabo foana! Izay mahalala ahy akaiky dia mahita sy miaina izany fa sanatria amiko ny hilavo lefona ary mamindra ny fikirizako sy ny fomba fijeriko miabo hatrany! Na eo izany rehetra izany dia fitahian'Andriamanitra daholo izany fa izy no miaro sy mitantana anay mianakavy. Misaotra ny Tompo! Matoky azy hatrany aho. Misaotra anareo rehetra marobe ihany koa izay nanao firariantsoa. Voaraiko daholo. Tsy voavaliko tsirairay akory fa ialana tsiny! Misaotra ireo mpiara-mitolona ihany koa. Mbola mitohy ny ady amin'ny fametrahana ny rariny sy firenena vanona ho reharehantsika ary malagasy sy Madagasikara mijoro no tanjona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT