Politique

Fanilihana tsy fahaiza-mitantana Efa kolontsaim-pitondrana mihitsy


  • Zoma 06 Janoary 2023

Malaza ankehitriny fa lavaka ny kitapom-panjakana. Misy milaza mihitsy aza moa hoe banky ropitra ny fanjakana malagasy.

Tsy misy vola intsony ao, hoy ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana izay. Nandritry ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny 4 janoary teo moa no nisian’ny fampitana am-bava mikasika ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa teo anelanelan’ny taona 2014 ka hatramin’ny 2019 dia nisy famatsiam-bola nomen’ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny zaza na UNICEF ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa ao anatin’ny fanatanterahana tetikasa niarahana tamin’izy ireo. Tsikaritra anefa, hoy ity tatitra ity, fa nisy fandaniam-bola izay tsy nifanarahana akory natao ka mahatonga ny UNICEF mitaky ankehitriny ny famerenana ireo vola ireo. Mitentina 3.056.399.155 Ariary ireo fandaniam-bola tsy nazava ireo, hoy hatrany ity tatitra ity. Raha nisy tokoa izany dia heverina fa tena tsy ara-dalana sy fihinanam-bolam-bahoaka na fanaovana tsinontsinona ny vahoaka mihitsy saingy efa mazava amin’ny rehetra ve izany ankehitriny ny lalan’ny famatsiam-bola mikasika ny ady amin’ny Covid 19 izay efa nanodidina ny 900 tapitrisa dolara tany ho any? Efa mazava daholo ve ny mikasika ireo aferana volamena 73,5 kilao, 48 kilao mahery, 17 kilao sy ny maro hafa izany ny sasany nivadika vy sasany mampametra-panontaniana ankehitriny hoe sao koa efa nivadika vato? Efa tena mazava ve ny raharaha “Ecran plat” sy “Panier Garni”? Hita ho efa kolontsaim-pitondrana ankehitriny ity fanilihana tsy fahaiza-mitantana any amin’ny hafa ity, hany ka mbola mahazo tsiny hatramin’izao hatramin’i Okrainina sy Rosia.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT