Nolavin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ireo fitoriana roa nataon’i Dr Robinson Jean Louis, ny 30 sy 31 desambra 2013, mitaky ny hanilihana ny kandida Hery Rajaonarimampianina noho izy notohanan’ny filohan’ny tetezamita Atoa Andry Rajoelina nivantana ary nanararaotra ilay didim-pianjakana 2013-593 mamela ny lehiben’andrim-panjakana miatrika fampielezan-kevitra, ka nampiasany fahefam-panjakana tamin’ny alalan’i Andry Rajoelina. Anisany ny nanoloana tampoka ireo lehiben’ny Faritra maromaro. Nilaza ny CES fa efa nametra-pialana tao amin’ny governemanta ny kandida Hery Rajaonarimampianina ka tsy manana fahefana hampiasa fahefam-panjakana. Nanazava koa ny CES fa tsy misy fiantraikany tamin’ny fahamarinan’ny latsa-bato koa ny fisehoan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina. Ankoatra izay dia nilaza koa ny CES fa na ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ny minisitra isany Roland Ravatomanga, Olga Ramalason, Botozaza Pierrot ihany koa aza dia nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitry ny kandida Robinson Jean Louis tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany sy faharoa. Omaly tamin’ny sivy ora maraina ny CES no namoaka ity fanapahan-keviny ity. Ny harivan’io ihany dia efa fety tao Antanimena misy ny QG an’i Hery Rajaonarimampianina.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.