Politique

Fangatahana fanazavana nataon’ny loholona MMM


  • Talata 25 Jolay 2023

Nosakanan’ny filohan’ny Antenimierandoholona

Tohin’ny savorovoro sy korontana nandritry ny fanadinana bakalorea ny herinandro lasa teo, nosakanana sy notsindrian’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny taratasy nalefan’ny loholon’i Madagasikara, Rakotondrainibe Michel, filohan’ny kaomisionina sosialy, kolontsaina sy serasera eo anivon’ity andrim-panjakana ity, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, izay nahalany ity farany. Anton’izany, raha ny fampitam-baovao voaray, dia noho ny efa fanaovan’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona serasera momba ity raharaha ity. Tranga izay mampametra-panontaniana ny hoe ny hanao serasera ve no mahamaika ireo mpiaradia amin’ny mpitondra sa ny fanarenana ny hoavin’ny zaza Malagasy izay potika tanteraka ankehitriny? Tsiahivina, nandefa taratasy fangatahana fihaonana tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny zoma teo ity loholon’i Madagasikara lany tamin’ny antoko MMM ity. Nangataka fanazavana amin’ity tomponandraikitra ity saingy izao nosakanana amin’ny fomba hafa izao izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT