Politique

Faneva Raholdina Tsy mila voatsihary i Marc Ravalomanana


  • Zoma 11 Novambra 2011

Tsy mila voatsihary izany ny filoha Marc Ravalomanana raha mitaky ny fepetra amin’ny fiverenany hody sy famoahana ireo gadra politika fa voarakitra an-tsoratra ao anaty sori-dalana nataon’ny rehetra sonia izany, hoy Atoa Faneva Raholdina.

Amin’ity mpandalina politika ity dia tokony hamerina ny zavatra nataon’ny praiminisitra Guy Willy Razanamasy tamin’ny krizin’ny taona 1991 ny praiminisitra Beriziky Jean Omer raha te-hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Notsiahiviny tamin’izany fotoana izany fa tsy nankato ny praminisitra Razanamasy mihitsy ny Hery Velona Rasalama saingy rehefa nohenoiny ny hevitr’izy ireo ka notanterahiny ny fitakiana dia ny fanafoanana ny VIP (Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana) izay nohafatrafaran’ny Amiraly tsy ho kitihana mihitsy tamin’izany, dia niravona ny disadisa, nanjary nankato ny praiminisitra Guy Willy ny Hery Velona ary teraka ny “Convention du 31 octobre”. Ho an’ny praiminisitra Beriziky izany, hoy i Faneva Raholdina, dia ny fampisehoana finiavana hita maso amin’ny famoahana ireo gadra politika sy famerenana tsy misy fepetra an’ireo sesitany any ivelany, anisan’izany ny Filoha Marc Ravalomanana, ary ny famohana ireo haino aman-jery rehetra nakatona tamin’izao tetezamita izao no hany lalana hahazoany ny fankatoavana iraisam-pirenena.

Ranilita
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT