Fanesorana ireo mpiambina an-dRavalo

« Tompon’andraikitra ny fitondrana raha voakitikitika ny aiko »


  • Alarobia 12 Jona 2024

Manana zo hanana mpiambina 12 i Marc Ravalomanana amin’ny maha Filoha teo aloha azy,

saingy 2 sisa no ao raha ny nambarany satria ny iray nosamborina tamin’ny Hetsika Fotsy, iray nosamborina tamin’ilay hetsika tany Antsirabe, ary ny sasany lasa nisotro ronono. Niresaka tamin’ny Praiminisitra ny tenany omaly, saingy ny setriny dia hoe : nandefa tany ny primatiora saingy tsy nekena, raha ny filazan’i Marc Ravalomanana. Marina fa tsy nekeko satria ny aiko no arovana ary mba tokony ho olona fantatro mba afaka hiara-hiasa amiko sy hiaro ny aiko, ka tsy tokony hatao kinanga, hoy ity Filoha teo aloha ity omaly. Niantefa tamin’ny Praiminisitra noho izany ny tenany nilaza fa Lehiben’ny governemanta mahalala tsara ny lalàna ity farany, ary tsy vao izaho aho, hoy izy, no nangataka fa efa taloha, efa tamin’ny andron’ny HVM, na tamin’ny andron-dRatsiraka,… Olona avy amin’izy ireo no alefany aty, ka roa sisa no ao, ary ny tena heviny lalina dia ny mba tsy hahafahako hanao fitsidihana ireo faritra. Fiara tsy misy, mpamily tsy misy, fa dia ilay mpiambina roa ihany no vizana teo, ka nisaorany ireo nambarany fa nanolo-tànana. Fanarahan-dalàna izany matoa ampahatsiahivina sy resahana ary lalàna no milaza fa ny Filoha teo aloha dia manana zo hanana mpiambina, ho izy. Tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana raha misy zavatra manjo ahy, mandeha eny an-dalàna sakanana sy halaina sary,… hoy i Marc Ravalomanana. Ny lalàna 2013-001 moa no mamaritra, fa manana zo ho arovana amin’ny alalan’ny fananana mpiambina manokana, ankoatra ireo tombotsoa samihafa sitrahana toy ny trano, fiara,… ny Filoha teo aloha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT