Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ity anio ity
ny hetsi-bahoaka niainga tamin’ny fanehoan-kevitra mitaky ny hamahana ny olana ara-tsosialy dia ny resaka rano sy herinaratra. Niray feo ny Malagasy, ka nihetsika i Madagasikara iray manontolo. Nisy dingana vita tao anatin’ny tolona ary isan’ny haingana indrindra teo amin’ny tantara satria andro vitsy dia niongotra ny minisitra iray, nitohy tamin’ny fampiatoana governemanta… Midika fihaikena fa tsy nahomby ny nirosoan’i Andry Rajoelina ka rariny ny fitakiam-bahoaka. Tsy ampy ny fanovana governemanta entina hitadiavana sarintsarina fitoniana na « apaisement », saingy ny Filoha tenany mihitsy no takian’ny vahoaka hiala ankehitriny. Nandeha ny famoretana sy faty olona, ary fandrobana niniana navela mba handotoana ny fitakiam-bahoaka no setriny, saingy vao mainka nandrehitra ny hafanam-pon’ny Malagasy mitaky fiovana sy fanovana. « « Gros bras » ampiasain’ny fitondrana ireny namaky orinasa ireny, dia ny olona miditra avy eo », hoy Atoa Serge Zafimahova omaly tao amina fahitalavitra iray. Tsy nijanona eo amin’ny resaka jiro sy rano intsony, fa miitatra ho fihetsiketseham-bahoaka itakiana ny fialan-dRajoelina noho ny famonoana vahoaka, ny tsy fahombiazana ara-pitantana, tsy fahaizana mitondra Firenena ka mamotika an’i Madagasikara, fahapotehana ara-toekerana. Efa tena tolon’ny vahoaka Malagasy, ka isan’ny mijoro ny tanora anatin’ny Génération Z izay tsy manana antoka amin’ny hoaviny ka mitolona hisian’ny fanovana. Mihamafy ny firaisankina, ka isan’ny azo itarafana izany ny fandavan-tena samihafa toy ny fisian’ireo mirotsaka an-tsehatra mizara rano, mizara sakafo, mitsabo maimaimpoana,… « Andao isika hifanome tanana, hanorina Madagasikara vaovao, hoporofointsika fa ilaintsika ny fanovana, ka hidina an-dalambe isika rahampitso», hoy ny Gen Z nanamafy ny antso. « Manao antso avo izahay, efa nijoro ny tanora nanokatra ny làlana, tsy an’ny tanora irery fa milan y firaisankinan’ny Malmagasy manontolo. Miantso ny herivelona rehetra : filoham-piangonana, Raiamandreny ara-drazana, sendika, mpiasam-panjakana,… », hoy ireo tanora. Nanambara ireo mpitarika ny fikambanan’ny mpianatra na « associations pédagogiques » toy ny avy amin’ny Siansa, Politeknika,… eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo omaly, fa tsy nandefa solontena hiresaka amin-dRajoelina ka misandoka izany mitonona ho solonten’izy ireo any. Mitombo ireo fanambarana fanamafisana ny tolona ataon’ny herivelona samihafa : sendika, antoko politika, fikambanana, fiangonana, firaisamonim-pirenena, mpandraharaha, tanora, mpianatra,… fa mitohy ihany koa ny antso avo.
« TSY MIJANONA RAHA TSY MIALA RAJOELINA »
Raha nangotraka ny tany amin’ny faritra omaly, dia naka bahana kosa ny teto Antananarivo, nentina nandaminana paikady. Nanambara fa hidina an-dalambe hanamafy ny tolona ireo depiote avy amin’ny fanoherana na eto Antananarivo na ny any amin’ny faritra, ka manainga ny vahoaka ho avy. Nivoaka ny toromarika fa hihamafy ny tolona anio, ka ho an’ny eto Antananarivo dia ka rodobe no hatao, hoy ny Depiote Gascar Fenosoa, izay nilaza fa «Tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona mametra-pialana i Andry Rajoelina sy ireo mpambotry firenena sy mpamono ny mpiray tanindrazana ». Hifamotoana amin’ny toerana maro arakaraka ny toerana misy azy ny vahoaka ka ny Gen Z, ny influenceurs ny mpanakanto ny mpianatra dia miainga amin’ny toerana efa nahazatra eny Behoririka Antaninandro Ankatso Ambatonakanga ary Soarano. Ny sendika rehetra dia eny Antanimbarinandriana no mifamotoana. Eny amin’ny rond point Anosizato ny avy any amin’ny RN1. Eo amin’ny Rond point Ankazomanga ny avy amin’ny RN4, rond point Andranobevava ny avy any Avaradrano. Rond point Ampasapito ho an’ny avy amin’ny RN2. Ho any amin’ny RN7 kosa eo Anosy no fotoana. Ho an’ny eny amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra dia ho avy ny toromarika avy amin’ireo solombavambahoaka,… Andrasana indray ny fisehony anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.