Fanesoana vahoaka ao anatin’ny fahantrany

Homena mivantana na atao vola ny « 4x4 »-n’ny depiote…


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Tsy nisy nipika ny fihaonana mikaton-trano teo amin’ireo depiote sy ny Minisitry ny fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo omaly.

Na izany aza, isan’ny iadiana mafy ao Tsimbazaza ny resaka tombotsoan’ireo solombavambahoaka toy ny volan’ny CIAD (Crédit d'Investissement destiné à l’Appui au Développement) izay 250 tapitrisa Ar teo aloha raha efa nisy resaka nandeha ny mety hampidinana azy ho 60 tapitrisa Ar. Tahaka izany ihany koa ilay resaka fiara tsy mataho-dàlana. « Ho hitantsika eo mandritra ny fihaonana amin’ny solombavambahoaka, fa anisany tokoa hojeren’ny fitondram-panjakana manokana ny tetibola ho an’ny solombavambahoaka. Raha teo aloha izy ireo nahazo ny antsoina hoe : « indemnité compensatrice de transporté » izay natao hividianan’izy ireo tsirairay avy, tsy voatery vidiana fa hahafahan’izy miatrika ny fivezivezen’izy ireo manerana an’i Madagasikara dia eo no misy adihevitra amin’izao fotoana izao hoe : tonga ve dia fitaovana hoentin’izy ireo mivezivezy no atao ao anatin’ny tetibola sa mbola ilay « indemnité » hampiasain’izy ireo hivezivezena. », hoy ny fanazavan’ny Minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo mikasika ity raharaha fitakiana fiara tsy mataho-dàlana ity. Midika aloha io rehefa halalinina, fa tsy maintsy homena izany ny tombotsoa takian’ireo depiote mikasika ny fiara tsy mataho-dàlana fa ny endrika isehoany no andrasana na ho fiara mivantana na atao vola tsikelikely amin’ny depiote. Ny solombavambahoaka miady mafy ny tombotsoany, ary ao anatin’ny fahasahiranam-bahoaka mivaivay no isehoan’izany, fa izay tena fiadiana ny tombotsoam-bahoaka sy fanerena ny mpanatanteraka tena hamaha olana araka ny tokony ho izy tsy misy. Tena mifandraika amin’ny tombotsoa takiana ve ny tamberiny ho an’ny vahoaka ? Ny fahazoana an’io no tambin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ? Ny depiote omena fiara tsy mataho-dàlana fa ny làlana tsy hamboarina ? Raha atao kajy tsotsotra hoe : 600 tapitrisa irambilanja na 120 tapitrisa Ar ny iray, ampitomboina 163 izay isan’ny depiote dia manome 19 560 000 000 Ar,…
NY MPITONDRA MIROBAROBA, NY VAHOAKA MITRONGY VAO HOMANA
Tsy ny depiote ihany, fa tena samy manao izay danin’ny kibony, raha tsy hilaza afatsy ny fihetsiky ny mpitondra Fanjakana tsy mitsitsy vola aman-karena amin’ny fihetsiketsehana politika, raha tsy hilaza ny zava-nitranga tany Sambava herinandro lasa hoe : filohana andrim-panjakana 3 sy mpikamban’ny governemanta efa ho am-polony miampy ireo olom-panjakana maro be eo anivon’ireo parlemanta no nirohotra nakany, avy eo mbola nisy ny nandeha fiaramanidina niazo an’i Taolagnaro. Miharihary ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy entina, ary tsy mipetraka ho ohatra sy filamatra amin’ny fiaraha-miafy sy mitsitsy eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka ny mpitondra ankehitriny. Ny famahana ny olam-bahoaka mijanona ho politikan’ny vonjy tavanandro, ka efa miseho ny olana vao mikorapaka, fa ny tsy tena misy ny tsinjo lavitra. Efa mangotraka ny zava-misy vao hoe : hanao an’izao sy izao, voatanisa i babay sy lohavohitra raha tsy hilaza afatsy ny firesaky ny Filoham-pirenena momba ny famahana ny olan’ny angovo sy herinaratra, fa ny hoenti-manana sy ny fanatanterahana mbola manjavozavo ny ankamaroany. Ho avy indray ny fifidianana, handeha ny propagandy, dia ho avy ny fanapenana ny masom-bahoaka amin’ny kizarazara sy kitsimbitsimbina mba hanaronana ny tsy fahombiazana.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT