Politique

Fanesoana sady fandrisihana hiezaka Voahosotra ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo i Rajoelina


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Mbola voahosotry ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana miaraka amin’ny fikambanana « Big Win Philanthropy » ho « Champion de la Nutrition »

na tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika indray ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fihaonany tamin’ny Filoha Lefitry ny BAD, Rtoa Marie-Laure Akin-Olugbade sy ny Filoha mpitarika ny Fikambanana Amerikana « Big Win Philanthropy » Ramatoa Jamie Cooper ny 13 desambra 2022 tany Washington. Efa nanomboka tamin’ny taona 2019 no notendren’ny BAD amin’io andraikitra maha tompondaka io ny Filoha ka noho ny fahitana ny ezaka nataony nandritra ny 3 taona nifanesy, indrindra tany Atsimon’ny Nosy no antony nanamafisana izay maha-tompon-daka azy izay, hoy ny mpitondra. Nambara fa anisan'izany ny nananganana ny ozinina mpamokatra fanampin-tsakafo be otrikaina, Nutrisud, izay niarahana tamin'ny Fikambanana Fitia izay tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina. Teo koa ny fanaovana ny tetikasa « titre vert » ho an’ny fianakaviana tena marefo, ka hanomezan’ny fanjakana tany ireo tany sy fitaovana ary biby fiompy mba hahafahan'izy ireo manangana fihariana. Miisa 2000 ny fianakaviana efa misitraka izany ankehitriny. Manampy izany ny fananganana ny fantson-drano lehibe mirefy 92km miainga ao Efaho hatrany Ambovombe Androy, izay efa tamin’ny aogositra 2020 no nampanantenaina fa hatomboka saingy tsy hita hatramin’izao. Ny Filoha Rajoelina no Filoham-pirenena Afrikanina fahaenina hitana io andraikitra io manerana ny kaontinanta Afrikanina. Nanambara ny Filohan’ny « Big win Philanthropy » fa hanampy ny Filoha Rajoelina amin’ireo tetikasa hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo manerana ny Nosy, ka faritra dimy izay tena manana olana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, no hosafidiana hanaovana tetikasa tarika (projet pilote) aty am-piandohana.
FANESOANA SY FANDATSANA MBA HAMPIEZAKA
Rehefa zohiana, toa fanasokajiana maneso sy fandrisihana ny mpitondra Malagasy hiezaka io satria taraiky isika. Raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena vao ny volana oktobra teo mantsy, mahatratra 8,8 tapitrisa manome 33% amin’ny Malagasy no ao anatin’ny olan’ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Raha ny fanasokajiana nataon’ny Vondrona Afrikanina sy ny FAO (Fonds des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture) momba ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika ny taona 2021 “Apercu regional de l’Etat de la sécurité alimentaire et de la nutrition”, aza dia nametraka antsika ho fahatelo ambony indrindra amin’ny tahan’ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo (43,2%) aorian’I Somalie (59,5%) sy Centrafrique (48,2%), ary fahaefatra isika maneran-tany. Ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ity taona ity, dia efa ao anatin’ny IPC (Integrated Phase Classification) sokajy faha-5 isika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izany hoe voasokajy ho tsy manan-kohanina milahatra amin’i Yemen. Ambinkambin-javatra izany resaka tena fifotorana amin’ny fambolena izany, fa ny tena laharampahamehana teto dia kianja, teleferika, tanamasoandro,… Ny vary aza nolazaina fa roa taona vao miakatra. Raha mijery firenen-afa, sahy nanao fanamby govana ny Filohan’I Rwanda Paul Kagame nilaza hoe: "Tena tsy azo ekena intsony hoe i Uraine izay tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no hamelona an’i Afrika izay misy mponina 1,4 miliara. Mampanantena ny Rwandais rehetra aho fa hahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika mialohan’ny taona 2025. Manome alalana avy hatrany amin’ny fividianana fitaovam-pambolena sy ny pitsopitsony ilaina amin’izany ao mba hamelomana ny indostria ara-pambolentsika”. Aiza ho aiza amin’izany ny Filoha Rajoelina Tompondaka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT