Fanerena an-kolaka an’i Kolonely Fanampera

Ahiana hitarika korontana, hoy i Pr Joseph


  • Alarobia 21 Mey 2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Pr Joseph izay sady mpandinika fiarahamonina. Ahiana hivadika korontana hoy izy ilay fihaonan ' ny Raiamandreny Kolonely Fanampera sy Atoa Andry Rajoelina iny satria heverina fa mety hisy faneriterena hataon ' ny fampanoavana mba hampanekena ankolaka ny kolonely Fanampera mba hitsipaka ny fanoherana sy hampanaiky ny fikitihan 'ny fitondrana Rajoelina io "Base Toliara" io noho ny fikatsahana tombotsoa manokana. Manao antso avo amin’ireo mpitsara ampanetrentena araka izany ny tenany mba tsy hanaiky izany fa hitera - doza ho an ' ny firenena. Midoika ho fanaovana an - keriny izany hoy izy ka mahatezitra an ' Andriamanitra. Ny famporisihana ny vahoaka Malagasy hanao fanabeazana aizana izay tsy mifanaraka ny amin 'ny sitrapon ' Andriamanitra moa etsy andaniny tsy hita ho lazaina intsony noho ny tsy fahombiazana eo amin 'ny fitantanana ny firenena. Nanao fanekena tamintsika olombelona anefa Andriamanitra hoy Pr Joseph tamin 'ny alalan ' i Noa taorian 'ny safo - drano, ka nitenenan 'Andriamanitra ao amin 'ny (Genesisy, 9 ; 1 ) manao hoe : Ary Andriamanitra nitso - drano an ' i Noa sy ny zanany hoe : Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, kanefa dia nohezahina nodikaina izany noho ny fikatsahana tombotsoa manokana sy ny tsy fahaiza - mitantana . Farany moa dia manentana ny rehetra mba hijoro sy ho sarotiny ny amin ' ny Tanindrazana izy, ka hahasahy hiteny toy izay nambaran ' i Estera manao hoe : Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako (Estera, 8 ; 6).
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT