Fanenjehana ny mpanao gazety

Namoahana didy fampisamborana i Fernand Cello


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Namoahana didy fampisamborana tamin’ny alalan’ny sampana mpanadihady momba ny heloka bevava eo anivon’ny

zandarimariam-pirenena eto Antananarivo ny mpanao gazety, Avimana Fernand na Fernand Cello, raha nfampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Raha ny antony voasoratra moa dia hoe fitoriana efa nipetraka hatramin’ny 5 oktobra teo izany. Mbola nahavita nanazava tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook moa i Fernand Cello tamin’iny sabotsy iny hatrany fa efa 3 herinandro izay ny tenany no notadiavina. Notadiavina hamoronana dosie aho, hoy izy, satria efa nifonako ilay resaka HCC. Etsy ankilany dia mampametra-panontaniana ny tena anton’ity fanenjehana mpanao gazety indray ity. Vao tsy ampy herinandro akory izay no nampiady hevitra be ireo efa ela nietezana tao anatin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety ny fisamborana ireo voalaza fa nisandoka ho mpanao gazety tamina tambazotram-pifandraisana iray, izay tsikaritra ho efa nilomano tanaty fanaovan-gazety am-polo taona mahery kosa anefa izy ireo. Mipoitra indray ity raharaha Fernand Cello ity izao. Maro ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ireo mpanara-baovao manoloana izany toy ny hoe aiza ny fampiharana ny tena lalàna mikasika ny fanaovan-gazety no avy hatrany dia fisamborana no kasaina ho hampiharana amina mpanao gazety iray? Aiza ny zo afaka hamaly na “droit de démenti”? Fa angaha moa mampigadra indray ny heloka an-gazety na “délit de presse?” sy ireo fanontaniana maro hafa tsy voatanisa fa dia manaraka akaiky sy miandry ny tohin’ity raharaha ity indray izany aloha ny mpanara-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT