Fanenjehana noho ny hetsika politika

Miandry ny HCC ny depiote Fetra, nohelohina ireo olona 10


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Hampiakarina eny amin'ny HCC ny raharaham-pitsarana momba ny depiote Fetra Ralamboazafimbololona,

azy araka ny didy savaravina navoakan'ny fitsarana omaly. Mihemotra amin'ny 12 martsa araka izany ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha anenjehana azy, raha ny voalaza omaly. Ity farany izay efa fanintelony ny fihemoran’ny didim-pitsarana satria efa tokony ny 19 desambra, nihemotra ny 30 janoary teo, omaly 06 febroary indray, saingy mbola mihemotra amin’ny 12 martsa io. Raha hiverenana, dia nosamborina ny 08 novambra 2013 rehefa nenjehina ho nitarika fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana sy nambara fa naniratsiratsira ny mpitandro ny filaminana. Voalaza fa mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny HCC ny raharaha. Tombanana ho noho ny voalazan’ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana manao hoe : « Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsa-bato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan'ny fotoam-pivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Biraon'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka. Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin'ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan'ny solombavambahoakairay ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin'ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny Birao ao anatin'ny telo volana » no anton’io. Tao anatin’ny fivoriana ara-potoana moa no nitranga io fisamborana io, saingy ny taty amin’ny ankolafin’ny mpitondra dia nametraka an’ilay hoe : tsy tany amin’ny antenimiera no nisamborana, ary tratra ambodiomby, ka tsy tokony hafangaro amin’ny resaka zo tsy azo henjehina na «immunité parlementaire ». Ny tsikaritra aloha dia mihitatra hatrany tahaka ny sima misioka ny famoahana ny didim-pitsarana mikasika olom-boafidy avy amin’ny fanoherana ity, ary io mbola nampidirana ny HCC io indray ka asa izay ho valiny. Ao anatin’ny ankatoky ny fifidianana ho avy no miseho ny tantara !

Ankoatra ity depiote ity, nohelohila 10 volana an-tranomaizina sazy mihantona miampy lamandy 500 000Ar sazy mihantona ireo olona 10 nosamborina nandritry ny fihetsiketsehana notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida nandritra ny volana novambra. Ny 5 tamin’izy ireo izay marihina fa naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fisamborana. Fandraisan’anjara tamin’ny fivorivoriana tsy nahazoana alalana sy herisetra teny an-dalambe natao tamin’ny zandarimaria no vesatra nanenjehana azy ireo. Nilaza hanao fampiakarana moa ny mpisolovava Eloi Ratefimahefamijoro.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT