Tsy mbola misy datim-pifidianana sy propagandy dia efa miainga ny paikady fanilihana izay kandidà atahorana. Amin`izay dia atao sesilany mihitsy ny fifanenjehana.
Mbola ao anatin`ny paipaika politika koa ny tsy famoahana ny tetiandrom-pifidianana sy ny volavolana lalàm-pifidianana. Tetehina hatao amin`izay mahametimety ny tena ? Raha ny fahitana azy dia natao hikendrena ireo mety ho adversera atahoran’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo izy ity, ka lasibatra amin`izany i Marc Ravalomanana sy ny manodidina azy ireo. Tsy tafavoaka tamin`ilay fitakiana bulletin n°2 ny fitondrana dia any amin`ny tsy fandoavan-ketra indray no finganina ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Raha nivahiny tamin`ny fahitalavitra rahavavy ny praiminisitra dia nilaza ampahibemaso fa ny fanenjehana ara-pitsarana momba ny hetra dia tsy manam-petra. Midika izany fa dia loza mitatao an-tampon-dohan-dRavalomanana mandrakizay izany. Tsy azo lavina kosa fa manoloana ny toe-draharaha ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-bola izay lalovan’i Madagasikara ankehitriny, ny fampidiran-ketra anatiny dia manohana hatrany ireo asa ataon`ny fitondram-panjakana, indrindra ny fiantohana ny fampidiram-bolam-panjakana enti-mampirisika hanentanana ny toekarena mba ho fampiakarana ny vola miditra amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny sanda hary voaforona. Toy ny lalàna rehetra ihany koa, misy ny sazy ho an`izay minia tsy mandoa izany na tratra aoriana ny fandoavana azy. Olana anefa, tsy hitan`ny olona loatra ny tambin`ny fandoavan-ketra indrindra eo anivon`ny kaominina, tanàn-dehibe na ambanivohitra. Ohatra mibaribary, zara raha misy ny jiro sy rano, ratsy ny lalana, misavovona ny fako. Mbola ho ela izany tany tan-dalàna izany ary ny fitondrana Rajaonarimampianina efa mitsinjo ny hoaviny, raha mitsara araka ny tokony ho izy an-dRavalomanana satria mety hotsarain’ny mpandimby azy koa izy, noho ireo fandikan-dalàna ataony amin’izao fotoana. Tsy mahagaga ny toerana misy ny firenena ankehitriny. Orinasa nanome lanja an`i Madagasikara ny Tiko dia melohina fa tsy nahaloa hetra, tsy mahazo miasa, ireo mpiasa very asa tao no sahirana na ingahy Ravalomanana aza. Ny fiainam-pirenena tsy vitan’ny vinavina fotsiny atao anelakela-trano, fa mila zavatra marim-pototra. Tsara ny manamarika fa 90%-n’ny Malagasy mivelona amin`ny sehatr`asa tsy manara-penitra ary tsy mandoa hetra daholo ireo. Manaraka izany, firifiry moa ireo orinasa lehibe ireo no mandoa hetra ara-potoana sy ara-dalàna eto Madagasikara ? Koa nahoana no hanaovana antsojay goavambe tahaka io Ravalomanana sy izay heverina fa mifandray aminy rehetra ?
Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.