Politique

Fanenjehana ireo olony Mampaneno lakolosy ny Zanak'i Fianarantsoa


  • Talata 04 Jolay 2023

Namoaka fanambarana ny FIZAFAFI (Fikambanan'ny Zanaky ny Faritanin'i Fianarantsoa) manoloana ny zavatra miseho,

izay mahakasika ireo zava- tsarotra atrehan'ny zanaky ny Faritanin'ny Fianarantsoa, araka ny fahitan'izy ireo azy. "Tato ho ato dia mahatsikaritra izahay fa maro ireo zanaky Faritany mitondra faisana noho ny fanenjehana, fanenjehana arahina famonjana, ary antsonjay, raha tsy hiteny hafa tsy ny DG FAG, DG JIRAMA, MAHERILANTO sy ny vadiny, SARERAKA, ary ny farany teo dia ny DGPI CNaPS,... izay miteraka fisavorovoroana sy fitarainana ao amin'ireo vahoakan'ny Faritany Fianarantsoa", hoy ny FIZAFAFI. Nilaza fa mikatsaka mandrakariva ny fampandrosoana ny Faritany sy ny firenena iray manontolo izy ireo, kanefa tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy ao anatiny fitoniana. Noho izany, dia manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana mahefa izahay mba hijery akaiky ny raharaha mahakasika ireo zanaky ny faritany Fianarantsoa ireo, fa indrindra ny mahakasika an-dRtoa Tsaboto Joslina Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPS, hoy io fanambarana io. Lasa tafiditra any amin'ny resaka fihaviana izany ireo raharaha samihafa eo anatrehan'ny fahatsapan'io Fikambanana io fa toa ny olona avy amin'ny faritaniny no betsaka voakitikitika. Vao tsy ela ihany koa fa ny faran'ny herinandro teo no naongana ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa Atoa Brunelle Razafitsiandraofa fa nitsefotra. Efa nanao tahaka izao ihany koa ny zanaky ny Faritanin'i Mahajanga teo anatrehan'ny fanenjehana ny Filohan'ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha Navony Pierre Le Noble, ny Pr Rabesa Zafera Antoine,...
(Sary fanehoana)
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT